Fivondronamben’ny Eveka: Fitondrana tsy mahomby ; fampanantenana poakaty ; sady miharo lainga ...
Nivoaka ny faha-11 aogositra teo ny fehin-kevitry ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny Fivondronamben’ny Eveka eo anivon’ny Fiangonana Katolika Romana manerana ny Nosy, izay natao teto Antananarivo tamin’iny herinandro lasa iny.
Tao anatin’izany no nanindrian’ireto Ray amandreny ara-panahy ireto fa “Tahaka an’i Ezekiela Mpaminany Masina nahay nijery ny fiainan’ny vahoaka, mampahonena toy ny ondry tsy misy mpiahy, vokatry ny fifandimbiasan’ny fitondrana izay samy tsy nahay naka lesona tamin’ireo zavatra tsy nety nataon’ireo mpitondra nifanesy ka nahatonga izao fahavoazana izao.”
Nambaran’ny Fivondronam-ben’ny Eveka koa fa ”tsy mbola very tanteraka ny fanantenana, fa tao anatin’ny telo taona nizakana ny vokatry ny krizy teo aloha isika no nahay niaina indray ny fahendrena maha-malagasy, dia ny fahaiza-mandefitra, ny firaisan-kina, ny fihavanana, eny fa na dia teo aza ny fanerena an-kolaka avy any ivelany.”
Na teo iza io endri-panantenana navoitran’ny Fehin-kevitry ny Eveka dia toa bitika ihany eo anoloan’ny tranga maro izay miseho ka mampibaribary ny “haizina mandrakotra ny firenena”. “Marary i Madagasikara ; hoy izy ireo, ary misy aza ny miteny hoe “efa miala aina”. Milentika tsikelikely anaty fotaka ny fiainam-pirenena ; hoy ihany ireto Eveka Katolika, ka miraviravy tànana ny mpitondra manoloana an’izany.
Navoitran’ireto mpitondra fivavahana katolika ireto koa fa “Fitondrana tsy mahomby ; fampanantenana poakaty; sady miharo lainga ary mampahazo vahana ny hery setra no manjaka amin’izao fotoana”. Tsy nihambahamba izy ireo nanamarika fa “Potika ny Soatoavina maha-malagasy, satria tsy voahaja intsony ny aina sy ny hasina maha-olona, tsy voatsimbina ny madinika; avela ho baranahiny ny tanora satria goragora ny fifampifehezana anatin’ny fiaraha-monina, tsy misy rafitra mazava amin’ny fanomanana ny ho aviny. Aiza ny sori-dàlana mazava hanatsarana ny fanabeazana, very ny fihavanana tena maha-malagasy, mifampiahiahy ny mpiara-monina ary mifamongotra hatramin’ny mpianakavy.”
Ho an’ny Fivondronam-ben’ny Eveka dia “mifanjevo ny ara-pinoana satria tsy hajaina ny soa toavina ara-pivavahana, fa potehina sy ranitina hifandrafy ny samy mpino ary hararaotina hanaovana kabary politika ny fotoam-pivavahana ka very ny hasiny”. Nomarihin’izy ireo koa fa tsy zavatra mandalo fotsiny na tranga manokana ny zava-misy sasany, nefa dia toa “terem-potsiny ny halatra lakolosy mihanaka etsy sy eroa, arahina fampihorohoroana mihatra aman’aina ho an’izay miaro ny fananany.” Manana ahiahy momba izany ny Fivondronamben’ny Eveka ka nilaza hoe “Iza no ao ambadika?”
Isan’izany koa ny fanasongadinan’ny Fivondronamben’ny Eveka ny hoe “tsy hay tohaina ny fanapotehana sary vongana masina eny amoron-dàlana izay fanenjehana mivantana ny Eglizy Katolika, ary hita ihany koa izao ny fangoronana baiboly eny an-tànan’ny mpino ary vidina lafo mba hamongorana ny finoana kristiana”.
Tranga tsy nohamaivan’ny fivorian’ny Fivondronamben’ny Eveka Katolika koa ny fahatsapan-dry zareo fa “hasarotina sady lafo ny saran’ny fahazoan-dàlana mipetraka eto Madagasikara ho an’ireo misionera, ankoatry ny fitakiana taratasim-panorenana tranom-pivavahana efa niorina ela hanelingelenana ny finoana”.
Ho an’ireto ray amandrenim-pinoana eo anivon’ny Fiangonaa Katolika ireto dia “miha mahazo vahana ny tetik’adin’ireo mahery setra miafina ao am-badiky ny fivavahana lazaina fa mpanavotra”.
Mikorontana ny fitantanana ara-politika sy ara-toekarena
Mitana anjara toerana goavan eo anivon’ny raharaham-pirenena moa ny resaka politika sy toekarena, ka isan’ny fanamarihana miendrika fanakianana nataon’ny Fivondronamben’ny Eveka momba ny fitantanana ny raharaham-piaraha-monina ankapobeny eto ny fahitan’izy ireo fa “tsy manao ny asany na ampihorohoroina ny rafitra mpanara-maso izay natao hiaro amin’ny fanodinkodinana sy fihoaram-pefy, hany ka manjaka tanteraka ny baranahiny”. Etsy andanin’izany, “mihalalim-paka isan’andro ny fahantrana, nefa tsy misy sori-dalana sy paikady mazava hampandrosoana ny firenena”, hoy ihany ry zareo Eveka, hany “tsy voafehy intsony fa gaboraraka tanteraka ny fitrandrahana harem-pirenena izay tokony hahasoa ny vahoaka sy hitsinjovana ny soa iombonana”. Tsy nohadinoin’ny Fivorian’ny Fivondronamben’ny Eveka hatrany koa , satria mbola mahazo vahana sy mihanaka ny doro tanety, ary nahatonga ny Fehin-kevitra nampivoitra fa “mitazam-potsiny ny doro tanety sy ny fahasimban’ny tontolo iainana ny olon-drehetra, na ny tompon’andraikitra, na ny vahoaka”.
Nivantana koa izy ireo nilaza fa “mikorosy fahana ny sosialim-bahoaka sy kolotsaina, satria tsy mandry fahalemana ny tany, ary miseho amin’ny endriny maro izany toy ny vono olona, vaky trano, fanafihan-tanàna, fakana an-keriny...
Eo anilan’izany, nambaran’ny Eveka mivantana fa mamatotra tanteraka ny Kolikoly sy ny fahalovana amin’ny seha-piainana rehetra, kanefa misy ny tsy maty manota ao amin’ireo mpitondra ambony sy ny manodidina azy”. “Voavidy vola amin’ny fanaovana tsindry hazo lena sy fibodoana tanin’olona ny fitondrana mahefa sy ireo mpampihatra Lalàna”, hoy koa ny Fivondronamben’ny Eveka, ary “tsy voatsinjo mihitsy ny zo aman-kasin’ny vahoaka madinika”. Iaraha-mahita ny haratsian-dàlana saika manerana ny Nosy, hoy ihany ny fehin-kevitr’izy ireo, ary tena “Fara-fahoriana no iainana satria taloha raha ny marary andriana, fa ankehitriny ny marary ariana.”