Inty sy Nday: Tsy mbola miravona

Nihevitra ny fitondram-panjakana Hvm fa tsy hisy akony intsony ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana momba ilay fehezan-dalàna momba ny serasera, satria hoe « didy tsy azo ivalozana iny ».

Tsy azo ivalozana iny raha olona manana toe-tsaina jadona no mandray azy fa ny mpandala ny fahalalahana demokratika rehetra dia tsy misy afa-po tamin’iny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana iny ka nanokatra ady hevitra aloha.

Ny antony dia tsotra. Tokony ho lojika ny Hcc ka NA izy nanambara avy hatrany fa « mifanaraka amin’ny lalampanorenana io fehezan-dalàna io » dia tsy nanisy fanamarihana sy karazan’ny baiko momba ny hanavaozana ny fandrafetana ny andiny sasantsasany tao, na ny fanomezana fanazavana, NA nanao an’ireo fanazavana sy fanamarihana ireo izy dia nilaza fa « noho izany dia takiana aloha ny hanamboarana azy io mba hifanaraka amin’ny tokony ho izy, vao hankatoavina ».

Nanomboka omaly àry dia efa maro ireo nijoro naneho ny heviny, izay samy nanipîka fa tsy manaiky na tsy resy lahatra amin’iny fanapahan-kevitry ny Hcc iny. Tsy hitsahatra amin’ny fitakiana efa nataony, ohatra, ny mpanao gazety izay mahatsiaro voalohany fa tena voahitsakitsa-jo amin’izy iny, ary manentana ny vahoaka izay tsy hahazo ny anjara-masoandrony amin’izy iny koa, raha nomen’ny lalampanorenana antoka ny fananany zo hisitraka vaovao feno sy ara-potoana.

Ny firaisamonim-pirenena toy ny Vovonana Rohy koa dia efa nanao fanamarihana na dia  tsy mbola nivantana aza, saingy efa tsinjo sy hita taratra fa tsy mankasitraka an’iny fanapahan’ny Hcc iny.

Ny mpisehatra politika maro koa dia tsy vitsy ireo efa nanambara mivantana fa « fanasinana ny jadon’ny fitondrana Hvm no nataon’ny Hcc ». Midika zavatra maro izany.

Ny fahendren’ny fitondrana izany, ary voalohany iantsorohana adidy amin’izany ny filohampirenena, dia ny miondrika eo anoloan’ny fanapahana navoakan’ny Hcc izay manipika ny tokony hiverenana amin’ny andininy sasantsasany, manova ny firafitry ny fehezan-teny… ary dia hanararaotra amin’izay ny hiaraha-mandinika indray ny vontoatiny sy ny toe-tsaina iorenan’io rijan-teny io, miaraka amin’ireo mpiara-niombona antoka sy nisehatra tamin’ny fandrafetana azy io tany amboalohany.

Tsy faharesena na fahafaham-baraka ny mihemotra kely manatsara ny fepetra hiantohana ny fahatomombanan’ny raharaham-piaraha-monina, fa ny fiziriziriana dia mety ahitana angano, ka na ny fitondrana na ny firenena dia samy mety hiantefan’ny sarotra raha atao amboletra sy andetrezana koa ny fampiharana azy io.

Ralay

Ajouter un Commentaire