Ambohimahamasina: Asain’ny fanjakana mandainga i Tsabo Pierre

Mbola miteraka adihevitra be eto amin’ny firenena ny raharaha mahakasika ny fanodinkodinam-bola nitranga tamin’ny fanatsarana ny biraon’ny kaominina ao Ambohimahamasina ao Ambalavao-Tsienimparihy ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony tamin’ny taona 2014. Vola mitentina 395 557 610 ariary na manodidina ny 2 miliara fmg  no voalaza fa nahodinkodina tamin’izany. Tsy namboarina akory ilay  trano ka noterena hamindra ny vola voalaza io amin’ny kaontin’ny olona iray antsoina hoe Raharimanantsoa Saholiniaina Jacqueline, izay mipetraka ao amin’ny lot IGC 44 Soamiandalana  ny ben’ny tanàna ao Ambohimahamasina ity sy ny STC ( secrétaire-Trésorière-Comptable). Izy roa ireo no nahazo baiko avy amin’ny minisitrin’ny Atitany sy ny fanapariaham-pahefana tamin’io fotoana io dia ingahy Solonandrasana Olivier Mahafaly. Nisy koa ny baiko avy amin’i ramatoa Claudine Razaimamonjy, ka nanery azy handrotsaka io vola io amin’ny olona voalaza eo ambony io. Tamin’ny faha 21 oktobra 2014 no nandrotsahana izany vola izany tao amin’ny banky iray ao Ambalavao.  Marihina etoana fa ingahy Tsabo Pierre dia nahazo fangatahana fanazavana avy tamin’ny IGE (Inspeteur Génèral de l’Etat) na ireo mpisafo ny fanarahamaso ny fampiasana ny volam-panjakana telolahy dia Daniel Randrianarivony sy Rakotonomenjanahary Désiré ary Frédéric izay miasa any Fianarantsoa, tamin’ny faha 29 octobra 2015ary dia nosoniavin’ingahy Tsabo Pierre tanteraka ny fanambarana nataony tamin’izany. Rehefa nandeha tany Ambohimahamasina izy telo lahy avy ao amin’ny IGE ireo dia nahita fa tsy nisy asa natao tamin’ny vola voalaza eo ambony io  na kely aza     na dia efa tapitra ny fe-potoana tokony hahavita ny asa araka ny voalaza amin’ny fifanarahana. Tamin’izany indrindra no nangatahan’izy telo lahy avy amin’ny IGE ireo fanazavana an-tsoratra(note de vérification) amin’ingahy Tsabo Pierre ity ka namaliany izany, ary nitononany an’ingahy  minisitrin’ny atitany Mahafaly Olivier sy ramatoa Claudine ity ho nanery azy hamindra io vola io ao amin’ny kaontin’ity ramatoa Raharimanantsoa Saholiniaina Jacqueline, izay fantatra fa olona mpisolo anarana an’i ramatoa Claudine ihany.  Ny faha 20 oktobra 2014 dia tonga tao amin’ny kaontin’ny kaominina ao Ambohimahamasina io vola io ary natao ny fandrotsahana izany vola izany tao amin’ny banky, nefa ny faha 22 oktobra 2014 ihany dia nafindra tao amin’ny kaontin’ny olona nasaina homena izany ny vola voalaza io. Ny asa tokony hatao anefa dia voamarika mazava tsara fa tsy mbola nisy nokasihana na kely aza, ary tsy tokony hatao velively ny fanomezana ny vola io an’ilay mpandraharaha nahazo ny tolotr’asa. Maro ny lahatsoratra an-gazety nanambara ity fanodinkodinana volam-panjakana ity. Ny faha 04 sy faha 05 aprily 2016 dia nisy ny lahatsoratra navoaka tato amin’ny La gazette de la Grande Ile milaza ny taratasy fisamborana an’i Claudine Razaimamonjy sy Randriantsara Linah, ary Saholiniaina Jacqueline ity izay nalefan’ny IGE any amin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandary. Ny hanaovana fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity no anton’izany.

Ny alatsinainy faha 15 aogositra 2016 teo dia niseho tamin’ny fahitalavitra an’ny fanjakana ingahy Tsabo Pierre izay ben’ny tanàna ao Ambohimahamasina izay nilaza fa lainga avokoa ny filazana rehetra mahakasika ity raharaha ity.

Eo anatrehan’ny lainga izay ampanaovina an’ingahy Tsabo Pierre izay ampanaovin’ny olona ao amin’ny fanjakana ankehitriny, dia tokony hanao fanadihadiana lalina amin’ity raharaha ity ny fanjakana, ka tsy hijanona amin’izao. Raha tena hiady mafy amin’ny kolikoly koa ny Bianco dia tokony hanao famotorana lalina amin’ity raharaha ity. Raha toa ka diso ny fanadihadiana nataon’ny IGE ireo dia tokony ho saziana mafy araka ny lalàna izy telolahy ireo, na homena fakasitrahana raha marina ny asa nataony. Ny porofo eto ampelatananay dia ahazoana milaza fa fanodinkodinana volam-panjakana no nitranga tao Ambohimahamasina io.

J.B.

Ajouter un Commentaire