Inty sy Nday: Ry Chissano no tena fositra teto

Efa hefarana anio indray izao no tonga teto Madagasikara i Joachim Chissano, ilay filohampirenena teo aloha tatsy Mozambika, ary voatendrin’ny Fianakaviambe iraisampirenena hitarika ny iraka avy amin’ny Vondron-tany Sadc « nanelanelana » teto Madagasikara tamin’ireny Raharaha 2009 ireny. Tonga eto izy amin’izao fotoana ary mihaona sy mifanakalo hevitra amin’ireo tompon’andraikitra politika, na ny eo anivon’ny fitondram-panjakana, toa ny Filohampirenena Rajaonarimampianina, na ny ivelan’ny fitondrana toa an-dRavalomananana.

Misy ny milaza fa « mandinika ny fomba hamelana an-dRavalomanana sy Rajoelina ho afaka mirotsaka hofidiana filohampirenena amin’ny 2018 no foto-diany eto ». Ao koa ny milaza fa « manara-maso ny fanatanterahana ny Tondrozotra tamin’ny 2011 no ahatongavany eto ». Ny sasany manipika fa « misy zavatra tian’ny fianakaviambe iraisampirenena hahatongavana manokana eto matoa nandefa an’i Joachim Chissano indray ry zareo », sy ny sisa.

Fa isika malagasy ity ve dia vendrana sy kentrina avokoa ka tsy mba hahalala izay hahasoa sy hahombiazantsika amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenentsika raha tsy misy olona toa an’ireny irahina eto e ?

Ny tsy voaresaky ny maro aloha dia i Joachim Chissano no tena fositry ny famotehana ny hetsi-bahoaka teto tamin’ny 2009. Izy no nanakorontana ny lamina noheverin’ny vahoaka fa hitantanana ny firenena malagasy taorian’ny nandehanan-dRavalomananana nitsoaka nandositra tatsy Afrika Atsimo.

Ny mpitondra nitana ny fahefam-panjakana koa moa tsy niantehitra tamin’ny herim-bahoaka raha vao nahazo ny fitondrana fa nanohy sy nanamafy ny fiankohofana tamin’ny fianakaviambe iraisampirenena, dia ireny no nihafarany.

Lasa ilay hetsi-bahoaka nahabe voninahitra ny malagasy no araraotin’ny olona sasany manimanina ny tongolon’i Ejypta nofokaina sy nambara ho fositry ny raharaha teto.

Dia mahavariana fa ny olona tsy mahavita azy toa ny filoha ankehitriny sy ry Ravalomanana efa nampahantra ny vahoaka, ary ireo sokajin’olona hafa mbola manina ny fahefam-panjakana efa tsy nahombiazany no manantena zavatra amin’ireny olona toa an-dry Joachim Chissano ireny. Izahay manokana aloha dia mbola manamafy fa raha tsy nanaiky hokorontanin-dry Chissano teto isika tamin’ireny 2009 ireny, ka tsy nanaiky nandeha tany Maputo tany dia azonay antoka fa ho hafa noho izao ny toe-draharaha teto, ary na ireo mpitondra ankehitriny manohy sy manamafy ny fampahantram-bahoaka efa natomboky ny mpitondra hatramin’ny 1960 teto, na ny nataon’ny mpanjanaka hatramin’ny 1896 mihitsy aza, ka nodimbiasan’ireo hafa taty aoriana, dia tsy ho nahita ravina avaratra teto raha tsy ny tetika maloto nanirahana an-dry Chissano. Raha tsy nanaiky hanome vahana an-dry Chissano teto ny mpilalao politika isany tamin’ireny 2009 ireny dia tsy ho toa izao anaovan’ny mpitondra ankehitriny ny firenena izao no nitranga. Noho izany, tetika maloto hanamafisana ny fampahantrana ny vahoaka sy ny fandrobana ny harem-pirenena eto no mbola hitohy raha manome sehatra an-dry Chissano eto isika, sy raha mbola manome fitokisana an’izay efa nampitondra faisana ny firenena, na Rajaonarimampianina anarany na Ravalomanana na Ratsiraka na iza na zovy . Fanetriben’ny firenena ny mbola anekena an’ireny vahiny ireny hibaiko na hotoavin-teny eto. Efa voaporofo ny nataony, ary efa fanta-poko fanta-pirenena ny nafitsony.

Tokony fantarina haingana koa ireo mpilalao politika rehetra nampidi-kizo ny firenena tamin’ny fankatoavana ny baikon-dry Chissano teto fa tena fositra koa.

Ralay

Ajouter un Commentaire