Antenimierandoholona: Mpiasa maherin’ny 200 hoesorina

Omaly maraina no namory ireo mpiasa rehetra mampiodina ny antenimierandoholona ny fiadidiana eo anivon’ity andripanjakana mpanao lalàna ity. Tamin’io fotoana io no nahafantarana fa hisy  ny fanadiovana mpiasa ary hanomboka tsy ho ela. Raha ny fanazavana nomen’i Rakotoniaina Rolland Dominique, mpiasa eo anivon’ny antenimierandoholona, dia mety ho tafakatra hatrany amin’ny 250 any ho any ny isan’ireo mpiasa ho esorina.

Ny olana anefa, hoy i Rakotoniaina Rolland Dominique, dia nambara tamin’ny fotoana nitsanganan’ny antenimierandoholona vaovao fa tsy hisy ny mpiasa ho esorina na iray aza. Tamin’ny herinandro teo dia gaga ireo mpiasa raha nahare fa hiroso amin’ny fanesorana mpiasa indray ireo mpitantana ny andripanjakana.

Tsara ny manamarika fa saika ireo mpiasa niditra nanomboka tamin’ny taona 2010 avokoa ireo tsy maintsy ho esorina raha ny fanazavana nomen’ity mpiasa ity ihany. Anton’ny fanadiovana moa raha ny fantatra dia noho ny fahamaroan’ireo mpiasa eo anivon’ity andripanjakana ity ka tsy zakan’ny tetibola mampiodina azy. Ankehitriny, mahatratra hatrany amin’ny 500 any ho any  ny isan’ireo mpiasa eo anivon’ny antenimierandoholona ary mety hihena atsasany izany isa izany ao aorian’ny fanadiovana.

Manoloana izany dia maro amin’ireo mpiasa no mitaintaina amin’ny hoaviny ka miantso ny filoham-pirenena, izay tompon’andraikitra fara-tampony eto amin’ny firenena, mba hijery akaiky ity raharaha  eo anivon’ny antenimieran-doholona ity.

Fa etsy ankilany, tsy azo lavina fa anisan’ireo andripanjakana mandany volam-bahoaka be indrindra eto amin’ny firenena ny antenimierandoholona ka rariny ihany raha hiroso amin’izay fanadiovana mpiasa izay ireo mpitantana.

Maro amin’ny olom-pirenena aza no maniry ny hanafoanana tanteraka ity andripanjakana mpanao lalàna iray ity satria tsy dia hita loatra izay tena ilaina azy eto amin’ny firenena, na ny ady hevitra aza dia zara raha misy rehefa misy ny volavolan-dalàna mandalo ao aminy.

F.T.

LEG : Maro ny mpiasa niditra tao amin’ny antenimierandoholona tao anatin’ny tetezamita.

Rodobe M.T.F : miantso ny vahoaka hidina an-dalambe

Mitombo isa hatrany ireo fikambanana sy vovonana politika mamaly ny antso nataon’ny AFP (Antso ho amin’ny Fanavotam-Pirenena) amin’ilay hetsika an-dalambe ho tanterahina etsy amin’ny araben’ny fahaleovantena  rahampitso zoma. Omaly, dia ireo mpanao politika sy olom-pirenena tsotra avy amin’ny R.M.T.F na ny Rodoben’ny Malagasy Tia Tanindrazana ho an’ny Fanorenana Ifotony no namaly ny antson’ny AFP ka miantso ny vahoaka Malagasy rehetra ihany koa mba  hidina an-dalambe amin’io andron’ny rahampitso io. Raha ny fanambarana nataon’izy ireo teo anoloanan’ireo mpanao gazety omaly, dia manohana tsy misy fepetra ireo fikambanana sy vovonana politika rehetra izay manohitra ny fitondrana mijoro ankehitriny ny R.M.T.F. Noho izany, na iza na iza ka manao fihetsiketsehana hanoherana izao fitondrana tarian’i Hery Rajaonarimampianina izao dia tsy maintsy manohana ary miara-dia aminy ny fikambanana, raha ny fanazavana nomen’ny  pastora Edouard Tsarahame, isan’ireo mpitarika ny R.M.T.F. Marihana fa herinandro vitsy lasa izay no nanao fanambarana amin’ny tokony hisian’ny fifampidinihana mba ahafahana mamaha ireo olana rehetra sedrain’ny firenena ity vovonana politika ity.

Raha ny hita anefa dia tsy manana finiavana ny hiroso amin’izay dinika izay ny filoham-pirenena ka ny fidinana an-dalambe sisa no vahaolana hanavotana ny firenena, hoy kosa ny Dr Razafindrakoto Harrison, avy amin’ny R.M.T.F.

Ho an’ity hetsika manohitra ny fitondrana HVM ity dia tsy azo eritreretina intsony ny mbola hitondran’i Hery Rajaonarimampianina sy ireo mpiara-dia azy hatramin’ny taona 2018, satria vaomaika handetika ny firenena ao anaty krizy lalina.

Miantso ny Malagasy rehetra ny vovonana mba tsy hisalasala ary tsy hanana fahatahorana ka ho tonga eny amin’ny kianjan’ny 13 mey rahampitso zoma.

F.Tsihiavonana

LEG : Milaza tsy matahotra ny hifanatrika amin’ny  mpitandro ny filaminana ny R.M.T.F.

 

Ajouter un Commentaire