Frankôfônia : toa lasa aferafera indray
Miteraka resabe ankehitriny ny mety ahatanteraka ny fivoriana an-tampon’ny firenena miteny ampahany sy tanteraka ny teny frantsay izay hatao eto Madagasikara manomboka ny faha 23 novambra 2016 izao.
Raha ny ankamaroan’ny malagasy no nanontaniana ny heviny dia tsy misy intsony no mino ny mety ahatanteraka ity fivoriana ity. Hatramin’izao dia sarotra ny hinoana ny fahavitan’ny fotodrafitrasa rehetra amin’ny hanatanterahana izany. Misy aza teknisianina momba ny fanaovan-trano ao amin’ny ministeran’ny fanajariana ny tany no milaza fa tsy azo antoka tanteraka ny mety hahavitan’ny fotodrafitrasa izay nomanin’ny fanjakana ho amin’izany, ka ho vita amin’io fotoana io. Ny trano natao handraisana izany etsy Andohatapenaka dia nolazain’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina fa tsy natao handraisana io fivoriana io indray hono. Dia aiza indray izany no handraisana izany? Ny loharanom-baovao iray avy ao amin’ny manodidina ny lapam-panjakana eny Iavoloha no nahafantarana fa misy ny trano izay an’i Claudine Razaimamonjy izany, izay hotely misokajy kintana efatra no mety handraisana ity fihaonana an-tampony ity indray.
Mbola eo ampanamboarana koa anefa ity trano ity ankehitriny, ary saika ao amin’ity hotely ity no ipetrahan’ny tokin’ny fanjakana ankehitriny.
Mandeha koa ary ny resaka ankehitriny fa toa resaka aferafera no misy amin’ity raharaha ity.
Raha marina ny loharanom-baovao ity dia lasa resaka finamanana sisa no misy eto Madagasikara fa tsy fitondrana intsony.
Malaza dia malaza moa ny bizina ao amin’ny fanjakana amin’izao fotoana izao ka ny olona manodidina ny filoham-pirenena avokoa no tena voalaza amin’izany.
Dia ho hitan-tsika indray izany ity raharaha ity.
JB