Inty sy Nday: « Rafitra vaovao sy olom-banona tsara sitra-po »
Teny filamatra narentin’ny Hetsika ho amin’ny Dinika ho fanavotam-pirenena omaly tetsy amin’ny trano fandraisam-bahinin’i Panorama etsy Andrainarivo io nofidianay ho lohatenin’ny “«nty sy nday» io. «Mitaky rafitra vaovao sy olom-banona tsara sitra-po ny fanavotam-pirenena», hoy ny hafatra.
Nohamafisin’i Doudou Ratolojanahary Maharavo tamin’ny fanazavana nentiny izany, ka nilazany fa «hatrizay isika teto dia nanova olona hitondra sy hitantana ny raharaham-pirenena hatrany fotsiny, na tamin’ny alalan’ny hetsi-bahoaka na tamin’ny alalan’ny fifidianana, saingy ny niaraha-niaina teto koa dia ilay olona fotsiny tokoa no niova fa ny rafi-pitantanana sy ny rafi-piarahamonina ankapobeny sy ny fomba fiasa mbamin’ny toe-tsaina nenti-nitantana ny raharaham-bahoaka dia ny omaly tsy niova ihany.»
Mbola ny fanamparam-pahefana sy tsikombakomba maloto nandrobana ny harem-pirenena; mbola ny kolikoly avo lenta sy ny fanaovana raharaham-pianakaviana sy kiantrano an-trano ny raharaham-pirenena ihany no nanjaka sy nahazo laka teto, hoy izy.
Rehefa hanavotra firenena dia tsy maintsy mametraka fepetra, hoy hatrany Ratolojanahary Maharavo omaly, ka ny Dinika ho fanavotam-pirenena no mamaritra an’izany, sy ny fomba hoenti-miatrika ny fanatanterahana an’izay ifanarahana eo.
Teny ifampierana no toe-tsaina hananganana sy handrafetana ny lalan-kizorana, na resaka rijan-tenin-dalàna isan’ambaratonga, na rafitra hajoro, na olona hitantana, na fomba fitantanana, hoy izy.
Isika teto amin’ity «inty sy nday» ity dia efa nanoritra tamin’ny fotoanandro fa «raha tena hiroso amin’ny fanovana tokoa, dia farafahakeliny, teboka efatra no tsy maintsy iantefan’ny fanovana.» Voalohany indrindra dia ny fanovana olona. Tsy maintsy diovina ny fitondrana fa tsy olona mpanao kolikoly no afaka hampanantena fa hanafoana sy hanafay ny mpanao kolikoly. Ny faharoa dia fanovana rafitra. Mety hisy hilaza hoe «rehefa tsara ilay olona, na sanatria ratsy aza ny rafitra, dia azo anantenana zavatra ihany». Marina izany fa rehefa hanova ihany dia miaraka ovaina. Ny fahatelo dia ny fanovana toe-tsaina sy fomba fiasa. Na ny mpitondra hatrizay ihany aza, sanatriavina, no tafaverina eo amin’ny fitondrana; mety ho azo eritreretina ny hiovany, saingy raha misy olona afaka mitondra fiovana fomba fiasa sy toe-tsaina vaovao dia tsara raha ampandeferina ny efa teo. Ny fahefatra goavana indrindra dia ny fanovana ny politika itantanana ny firenena. Tsy mahasoa ny vahoaka Malagasy ary tsy hahafahana miantoka ny tena fampivoarana sy fampandrosoana eto ny politika miankin-doha amin’ny vahiny sy ny famatsiam-bola avy any ivelany, na ny politika mampanjaka ny fahefan’ny vola.
Raha ireo teboka efatra ireo no vitantsika ny miroso amin’ny fandraisana fepetra sy fanapahan-kevitra manova azy, dia efa ahafahana miantoka ny fahazoana ny risi-pom-bahoaka ireo. Fototry ny asa fanavotam-pirenena sy ny fanarenana ifotony ary ny fananganana firenena vanona ireo.
Tsy ho zakan’ny mpitondra efa zatra nanao jadona toy izay nisy teto nandritra izay 56 taona izay izany rehetra izany. Tsy ho tantin’ny fianakaviambe iraisampirenena zatra mitsikombakomba sy mandroba harena aty amintsika, ka tsy maintsy hitady ny irika rehetra hamerenany na hametrahany ny saribakoliny eo amin’ny fitondrana eto izy ireny. Tsy hanaiky an’izany intsony anefa ny vahoaka satria «efa ela nijaliana ka tsy handefitra na hangina».
Izao dingana hirosoana amin’ny Dinika ho fanavotam-pirenena izao izany dia efa ahafahana mitaratra ny tena finiavan’ny vahoaka Malagasy hanavo-drevo, sy hitondra mihitsy ny fanavotana sy fampivoarana ny fiainam-bahoaka amin’ny ankapobeny.
Ralay