James Ratsima: Manakorontana mafy i La Frantsa

Misavoritaka tanteraka ny raharaham-pirenena ankehitriny ary i La Frantsa no ao ambadika izany rehetra izany raha nambaran’i James Ratsima, filohan’ny fikambanana mandatehezan’ny tia tanindrazana. Miezaka mafy ny manakorontana an’i Madagasikara ny frantsay ankehitriny kanefa  tsy mety tonga saina mihitsy ny vahoaka Malagasy. Ny fandalovan’ny  iraky ny SADC eto amitsika, Joachim Chissano, dia midika fa mbola ao anatin’ny tetezamita ny firenena Malagasy amin’izao fotoana izao fa tsy misy ny mpitondra lanim-bahoaka. Ny fianakaviambe iraisam-pirenena, tamin’ny alalan’ny CENI-T no nametraka ny filoham-pirenena ankehitriny ary nisy ny fifanarahana lehibe natao, hoy ihany i James Ratsima. Nambaran’ity mpanao politika ity fa tsy misy na inona na inona mandeha eto Madagasikara fa ny fivarotana tanindrazana no tena ataon’ny mpitondra. Ny fanitsakitsahan’ny vahiny ny fiandrianam-pirenena dia mbola mitohy tsy misy fiafarany ary miray tsikombakomba amin’izany ny mpitondra ankehitriny.

F.T.

Ajouter un Commentaire