Iraky ny SADC: Lasa nangingina i Joachim Chissano
Somary niavaka tsy toy ny mahazatra ny fandalavon’ny iraky ny SADC teto amitsika farany teo. Hatramin’ny nanombohan’ny krizy tamin’ny taona 2009, dia fomba fanaon’ny iraky ny SADC ny manao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety mialoha ny handaozany an’i Madagasikara. Na iza nitarika ny delegasionina, na i Joachim Chissano, na i Leonardo Simao, dia nisy hatrany ny tatitra natao ho an’ny mpanao gazety momba ny diany teto amitsika sy ny fahitany ny fivoaran’ny toe-draharaha politika. Tamin’ity indray mitoraka ity kosa, tsy nahenoina feo mihitsy ny filoha mozambikanina teo aloha, Joachim Chissano, rehefa nandao an’i Madagasikara ny zoma lasa teo. Raha ny fantatra, dia mbola hisy ny tatitra ofisialy ho ataon’ny SADC momba ny fivoaran’ny toe-draharaha politika eto Madagasikara. Tsiahivina ihany fa naharitra 4 andro ny dian’i Joachim Chissano sy ny delegasionina notariany teto amintsika. Nisy ny fihaonany tamin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana tao anatin’izany fitsidihana izay, fa teo ihany koa ny fiahonana tamin’ireo masohivoho vahiny vitsivitsy izay monina sy miasa eto Madagasikara.
F.Tsihiavonana