Inty sy Nday: Izay vao tena hita fototra ny fahafatesany !

Taorian’ny nametrahan’ny fitondrana mpanatanteraka ny antoka sy fepetra rehetra hamonoana ny demokrasia sy ny fahalalahana tamin’ny alalan’ilay «Lalàna Andrianjato» dia ireo solombava vitsy an’isa (18 amin’ny 151) no nanisy poizina ny fanafody tokony ho namelomana aina an’ilay demokrsia sy fahalalahana nofofoin’ny fitondrana mpanatanteraka. Ry zareo Loholona teny Anosikely koa moa efa nivonona tamin’ny fandarohana an’ilay lalàna momba ny serasera mba ho lasa «lalàna famoretana», ka dia nifanojo ny tia sy ny manina, dia ny fahefana mpanatanteraka sy ny fahefana mpanao lalàna.

Na dia nihodinkodina koa aza anefa ny teny Ambohidahy, tamin’ny alalan’ny Fitsarana Avo momba ny lalampanorenana (Hcc) , ka mody niseho ho tsy tompon’antoka teo anoloan’ny vahoaka tamin’ny fametrahana fanamarihana maromaro sy famerenana fanavaozana ny fandrafetana ny fehezan-teny maromaro, dia noteren’ny hakanosany ka naneho fankatoavana ihany an’io « lalàna famoretana » io fa hoe « mifanaraka amin’ny lalampanorenana », hono.

Ny filohampirenena Rajaonarimampianina àry omaly no nanambara fa « hita fototra ny fahafatesan’ny demokrasia sy ny fahalalana, ary ho ela velona ity lalàna famoretana nolanian’ny parlemanta, sy nankatoavin’ny Hcc ity ».

Teo anoloan’ireo mpanao gazety « saribakoliny » no nanambarany izany omaly, ary ireo saribakoliny ireo ihany no nasain’ingahy Filohampirenena nitondra ny tatitra tamin’ny vahoaka fa « maty soa aman-tsara ilay demokrasia sy ny fahalalahana », ka ny filohampirenena no hamoaka ny fanamarinana ny fahafahtesany (acte de décès) amin’ny alalan’ny antsoina hoe « promulgation de loi ».

Dia nahavariana fa noeken’ireo namana nisora-tena ho mpitondra tenin’ny mpanao gazety malagasy manerana ny Nosy izany fihetsiky ny filohampirenena izany. Tsy ho azo kosehina ao anatin’ny diarin’ny tantaran’ny gazety malagasy amin’izao fahatsiarovana ny faha-150 taonany izao ny anaran’ireto namana mpanao gazety nanasina ny famonoan’ny fitondrana Rajaonarimampianina ny fahalalahana manao gazety ireto, dia ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara, Rakotonirina Gérard, ny filohan’ny Fikambanan’ny mpanao gazety mpikirakira ny vaovao politika (achropol), Lambo Tahiry, ireo mpanao gazety niseho ho hendry indrindra eto Madagasikara sady mahay ny asa fanaovan-gazety indrindra ary matotra sy hentitra indrindra fa tsy mba manafangaro ny asa fanaovan-gazety amin’ny resaka hafa, dia i Lova Rabary, Iloniaina Alain, Abraham Razafy, sy ny hafa.

Zava-dehibe loatra ny hahafantaran’ny ambanilanitra izao sangodim-panina entin’ny fitondrana Rajaonarimampianina mamono ny fahalalahana sy ny demokrasia eto Madagasikara izao ka tsy azo entina amin’ny fihetseham-po ny fihetsika rehetra nentin’ny fitondrana nanamorana ny nakana rariny tamin’izany heloka famonoana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety izany. Tsetsatsetsa tsy aritra no anamarihana fa ady sy tolona no nataon’ireo zoky ray amandreny mpanao gazety teo aloha tamin’ny fanalefahana an’ireo sazy maroloha narafitry ny mpitondra fanjakana tamin’ny Repoblika faharoa, ka nokasain-dry zareo nandrafetana an’ilay lalàna farany mitondra ny laharana 90-031. Solombavambahoaka sady mpanao gazety iray teo anivon’ny Antenimierampirenena, avy amin’ny mpanohitra tamin’izany fotoana, no afaka nampanan-kery volavolam-panitsiana niisa 13 tamin’ireo 21 natolony tamin’izany. Tsy ho voakosoka ao anatin’ny diarin’ny asa fanaovan-gazety malagasy koa izany satria mendrika loatra. Mba fantatr’ireo namana nisolantsolana teny Mavoloha omaly ve izany ? Dia ho ambakan’ireo zoky ray amandreny tany ambadiky ny 25 taona lasa tany ve isika izay milomano ao anatin’ny « teknôlôjia » avo lenta amin’izao fotoana ?

Ralay

Ajouter un Commentaire