Hery Rajaonarimampianina: Fahantrana hoan’ny Malagasy ny fivoahany in- 40 tany ivelany
Manodidina ny 40 teo ho eo izao no fanisana ny dia nataon’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, izay filoham-pirenena Malagasy tany Ivelany. Izany dia nanomboka tamin’ny volana janoary 2014 izay nandraisany ny fitantanana ny firenena Malagasy. Hatramin’izay dia miandry ny vokatry ny fivezivezeny tany ivelany io ny vahoaka. Ny an’ny Voahangy vadiny moa dia mbola hafa koa satria matetika no mandeha irery ity ramatoa ity. Ny volam-panjakana no lany amin’ny fivezivezena ireny ary tsy izy mivady irery no mandeha amin’izany fa tsy maintsy miaraka amin’ny mpanaradia azy koa izay maromaro ihany. Matetika aza dia misy hatramin’ny olon-kafa izay tsy dia manana andraikitra loatra amin’ny raharaham-panjakana ataony no miaraka aminy, na koa fianakaviany. Ny filoham-pirenena raha mivoaka ny fireneny ireny dia 200 tapitrisa ariary isakin’ny dia mandroso sy miverina no tsy maintsy lanin’ny fanjakana amin’izany. Ny saram-piaramanidina, ny fiantranoana any amin’ny hotely avo lenta, ny tambikarama isan-karazany, dia vola be aloan’ny firenena avokoa. Ny Malagasy tsirairay no mizaka ny vola lany amin’izany amin’ny alalan’ny hetra aloany. Vola hatrany amin’ny 8000 tapitrisa ariary no vinavina fa lany tany amin’izany fivoahana any ivelany izany raha kely indrindra nanomboka ny taona 2014. Mbola miakatra be noho izany aza ny vola lany rehefa manofa fiaramanidina manokana. Raha ny voalazan’ny teti-bolam-panjaka tao anatin’ny taona 2014 sy 2015 dia ny teti-bola hoan’ny filoham-pirenena no be indrindra ka ny dia any ivelany no isan’ny be indrindra amin’ny fandaniana. Ary mbola toa izany koa ny amin’ity taona 2016 ity.
Hatramin’izao anefa dia mbola miaina ao anatin’ny fahantrana tanteraka ny vahoaka Malagasy. Raha toa ka 92% ny Malagasy no nahantra tamin’ny taona 2014, dia efa miakatra any amin’ny 98% ankehitriny no milomano ao anatin’ny fahantrana tanteraka. Voalaza ombeny ombieny raha maheno kabary politika ataon’ny mpitondra firenena isika dia atao litania ny hoe efa mahazo fahatokisana amin’ny mpamatsy vola isika izao. Lazaina fa efa mahazo vola fa miverina ny fahatokisana iraisam-pirenena ary efa matoky ny FMI na ny tahirim-bola iraisam-pirenena, nefa dia mbola miha mahantra hatrany ny vahoaka. Inona izany no vokatsoa hoan’ny firenena hoan’ny fandehanana ataon’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina any ivelany io ? Raha io vola lany nandehanana any ivelany io no nanaovana fotodrafitrasa na nikajiana ny sosialim-bahoaka, dia inoana fa efa hita ny zavatra vita tamin’izany.
Nangonin’i Jesy Rabelaolao