Asa fanaovan-gazety: Niala ny saron-tavan’ireo saribakolin-dRajaonarimampianina

Omaly vao noporofoin’ny tantara ny sarimihetsika miendrika fandrebirebem-bahoaka nampanaovin’ny filoha Rajaonarimampianina an’ireo namana mpanao gazety saribakoliny tamin’ilay hetsika fitakiana ny fanemorana ny fandinihana an’ilay rijan-teny momba ny volavolam-pehezan-dalàna momba ny fifandraisana. Ny hevitra niombonan’ny mpanao gazety moa tamin’izay dia hoe « tsy dinihana eny amin’ny parlemanta aloha io rijan-teny io satria novain’ny fitondrana mpanatanteraka (lalàna Andrianjato) ka na ny foto-kevi-dehibe sy foto-pisainan’ilay rijan-teny tany ampiandohana nandrafetana azy aza dia tsy hita tao intsony ». Izay no fototry ny hoe « lalàna famonoana ny fahalalahana sy ny demokrasia » izy io.

Dia nanao angoan-tenda tatsy amin’ny Nosy Maorisy moa ny filoha Rajaonarimampianina fa « azo atao ny mifampidinika an-databatra boribory hiresahana an’io olana io fa tsy misy tsy voavahan’ny resaka ».

Noraisin’ny Hetsika ho amin’ny fahalalahana maneho hevitra izay niara-nitolona tamin’ireny «radio miara-manonja» ireny izany, ka notakiana tamin’ny Filohampirenena àry ny hirosoana amin’io dinika an-databatra boribory io, mba hahafahana mifandresy lahatra momba ny famerenana amin’ny laoniny ny foto-kevi-dehiben’ilay lalàna.

Narirariran’ny filohampirenena teny ny resaka, ary nosarihiny tsikelikely ireo namana sasany « marivo salosana » ka nanaiky niara-dia tamin’ireo namana efa voafatotr’i Mavoloha, toa ny filohan’ny holafitry ny Mpanao Gazety, Gérard Rakotonirina, sy ny filohan’ny fikambanan’ny mpanao gazety mikirakira ny vaovao politika (Achropol) ; Lambo Tahiry. Dia lasa nanatevin-daharana tany ireo namana miseho ho « tsy manao politika » (nefa manaiky hanompo ny politika famonoan-dRajaonarimampianaina ny demokrasia sy ny fahafahana).

Nanomboka nandeha aloha ny feo taorianakelin’izany hoe « olana ka tsy maintsy ailika i Lalatiana Rakotondrazafy sy Soava Andriamarotafika ary i Michel Ralibera sy i Fetra Rakotondrasoa ». Dia naely ny resaka fa « mpikarama an’ady ireo mpanao gazety mpitarika ireo ka tsy maintsy ailika ».

Omaly àry dia noraisin’ny filohampirenena ireo nanaiky nanao tokim-panompoana azy, ary nasain’ny filoha nitatitra ho an’ny vahoaka ny hevitra ampanjakainy. Tsy inona io fa ny hoe « tsy maintsy avoakako ho isan’ny lalàna manan-kery io fehezan-dalàna momba ny fifandraisana io » (io ilay antsoina hoe promulgation). Nanambara koa ny filohampirenena, hoy ny mpitondra teniny, Iloniaina Alain, izay niaraka tamin-dry Lova Rabary sy Abraham Razafy mbamin’ny filohan’ny Holafitra sy ny Achropol, fa «raha manome lanja ny fitakianareo mpanao gazety aho dia hiteraka olana eo amin’ny samy andrim-panjakana». Angaha moa tsy fahefana nomen’ny lalampanorenana ny filohampirenena araka ny andininy faha-59 ny fampiatoana ny famoahana lalàna iray ka mampamerina ny fandinihan’ny parlemanta an’izany ?

Ny teboka fahatelo notaterin’ireo saribakoliny mpitondra tenin’ny filohampirenena dia ny hoe « hanangana sehatra hifanakalozan-kevitra » (espace de concertation) hiaraha-mandinika ny momba ireo teboka nifotoran’ny fitakian’ny mpanao gazety ny filoha.

Dia miverina hatrany ny ady hevitra hoe « hay ve mbola misy teboka tokony na tsy maintsy hiaraha-midinika e ? » Ka nahoana no havoaka hanan-kery sahady ilay lalàna ?

Dia ny tena no menatra, hoy ny fitenenana izay, fa asa na mba hahita tory ihany ireo namana niaka-dapa teny Mavoloha omaly ireo na sanatria dia efa maty eritreritra mihitsy ? Sa ny hifandray tanana amin’ny filoha no tanjona ka na inona ady hevitra tao na inona takalom-patsa vidim-pihinanana tamin’ny tokim-panom-

poana, dia izay izany fa zava-dehibe ny nifanatri-tava sy nifandray tanana tamin’ny filohampirenena ?

Ralay

Ajouter un Commentaire