Hetsika Mitsangana ry Malagasy: Hamory vahoaka etsy Mahamasina
Taorian’ny AFP (Antso ho an’ny fanavotam-pirenena) dia ry zareo eo anivon’ilay vovonana “Mitsangana ry Malagasy” indray no hamory vahoaka eto andrenivohitra ny sabotsy 27 aogositra izao. Raha ny fantatra dia etsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina no hanaovana izay famoriam-bahoaka izay ary hiantsoan’izy ireo ny vahoaka Malagasy rehetra tsy ankanavaka. Tanjon’ireo mpanao politika mivondrona ao anatin’ity hetsika manohitra ny fitondrana HVM ity ny hampafantatra ny vahoaka ny zava-misy marina eto amin’ny firenena. Marihana fa ny fiandohan’ny volana jolay lasa teo no nitsangana ny hetsika Mitsangana ry Malagasy izay ahitàna mpanao politika maro avy amin’ireo antoko sy fikambanana politika manohitra ny fitondrana mijoro ankehitriny. Taorian’ny fanambarana niezinezina nataon’izy ireo tetsy Andrefan’Ambohijanahary ny 9 jolay lasa teo, izay miantso ny Vahoaka Malagasy rehetra hitsangana ary hanohitra izao fitondrana izao, dia tsy tazana intsony ireo mpanao politika lohadohany mpitarika ao anatin’ity vovonana ity izay tsiahivina ihany fa nangataka tsy misy hatak’andro ny fametra-pialan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Efa nisy ny fangatahan-dalana napetraka eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra amin’ny fahazoana manantanteraka ny famoriam-bahoaka etsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina saingy mbola tsy nivaly hatramin’ny omaly hariva. Ho hita eo indray ny mety ho fihetsikiny fitondrana manoloana izao famoriam-bahoaka kasain’ny mpanohitra atao izao. Fitondrana izay efa hiarahan’ny rehetra mahalala fa marefo dia marefo ka na inona na inona hetsika heritreretin’ireo rehetra manohitra ny fitondrana atao, na antoko politika, na sendika, na fiarahamonim-pirenena dia sakanana amin’ny fomba rehetra ary hampiasana hery famoretana.
F.Tsihiavonana