Nadine Ramaroson: Inian’ny mpitondra totofana ny nahafaty azy, 5 taona lasa izay

Migadona ankehitriny ny faha-5 taona nahafaty an-dRtoa Nadine Ramaroson. Ny faha-28 Aogositra 2011, andro alahady tamin’izay, izay 5 taona amin’ny alahady ho avy izao no namoizany ny ainy niaraka tamin’ireo enina mianadahy mianaka, tany Vinany Soanierana Ivongo.

Tsy maty vonoina ao am-pon’ny malagasy niandrandra fivoaram-piainana i Nadine Ramaroson, satria nanantena fa iny minisitry ny mponina iny no hitarika ny vahoaka hamongotra ny fahantrana, hamarana ny fanodinkodinana ny harem-pirenena, hampitsahatra ny fahazaran-dratsin’ny mpitondra nifandimby teto amin’ny fivarotan-tanindrazana, ary hanasokajy ho toy ny tantara ny fahazaran-dratsin’ny miseho azy ho tsy maty manota amin’ny fanaovana kolikoly avo lenta.

I Nadine Ramaroson dia nametraka fanamby goavana ho amin’ny fanarenana ifotony ny fiainam-bahoaka, ka nikasa hanao Fihaonambem-pirenena momba ny sosialy” (Etats généraux du social). Ny faha-2 Septambra 2011 no nikasany hanombohana an’izany nefa dia ny faha-28 aogositra izy no novonoin-dry zalahy.

Hatramin’izao dia tsy fantatra ny marina momba ny tena nahafaty azy satria ny famotorana sy ny fanadihadiana momba izany dia tena inian’ny tompon’andraikitra ara-panjakana nototofana mba tsy hivoahan’ny marina. Maro ny renim-pianakaviana nahita sy nahatsapa ny ezaka nataon’i Nadine Ramaroson tamin’izy ireny nandritra ny naha-minisitra azy. Tsy vitsy koa ireo zokiolona no nahatsiaro fa ny minisitra Nadine Ramaroson no hany tompon’andraiki-panjakana teto nanome lanja ny hasin’izany zokiolona izany.

Tsy latsa-danja tamin’ny fahatsapana ny halehiben’ny fikarakarana sy fiahiana nentin’i Nadine Ramaroson koa ny nisitrahan’ireo manana fahasembanana, ary toraka izany ny azon’ireo ankizy madinika.

Ara-bakinteny tokoa ny naha-minisitry ny vahoaka azy, ary an’aliny kilaometatra ny lalana nandehanany nitetezany ny vahoaka tany ambany ravin-kazo rehetra tany tao anatin’ny fotoana nisahanany an’izany ministeran’ny mponina izany.

Mbola notohizan’ny Minisitra Olga Vaomalala izay nandimby azy moa izany rehetra izany hatramin’ny voalohandohan’ny taona 2014.

Tena mamolivoly ny fon’ireo rehetra mahatsiaro azy. Mitambesatra ny alahelon’ireo kamboty tsy fidiny nifampiriaria taminy. Raha isan’ny teboka navoitran’i Nadine Ramaroson fa hofongorina dia ny fanondranana harem-pirenena, na andramena na vatosoa na volamena, nefa dia mbola mitohy izany hatramin’izao satria ireny sokajin’olona mpandroba harem-pirenena ireny indrindra no tena faly sy nibitaka raha vao nitranga ny raharaha nahafaty azy.

Nanelingelina ny filiban’izy ireny tamin’ny harem-pirenena teto mantsy i Nadine Ramaroson.                                                          

Ralay

Ajouter un Commentaire