Pety Rakotoniaina: Diso fanantenana ny vahoaka ka te hanongana mpitondra

Nanao valan-dresaka hoan’ny mpanao gazety omaly alakamisy faha 25 aogositra 2016 tetsy amin’ny Motel de Tanà ny antoko Tambatra sy ny APRM izay tarihin’ingahy Pety Rakotoniaina. Nambaran’ity mpanao politika ity fa tsy iadian-kevitra intsony ny olana eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao ka mila vaha olana maika dia maika. Raha tsy voavaha ny olana amin’izao fotoana izao io dia tsy maintsy tonga amin’ny krizy mafy be indray isika Malagasy sady tsy maintsy midina an-dalambe ny vahoaka ary manongana fanjakana. Noho izany hoy ity mpanao politika avy any Ikalamavony ity dia tsy maintsy mitady làlana sy tetika mahomby maika dia maika. Ny mpitondra firenena ankehitriny tsy mahita vaha olana intsony eo anatrehan’ny fahasahiranana mianjady amin’ny vahoaka sy ny firenena. Naverin’ingahy Pety tamin’izany fa raha nanaraka ny toro hevitra nataon’ny antoko Tambatra tamin’ny taona 2013, izay milaza fa tsy vaha olana eto amin’ny firenena ny fifidianana natao iny satria dia tsy hamaha ny krizy fa mbola hiteraka krizy mafimafy kokoa aza. Dia izao iainan’ny firenena Malagasy izao ny vokany. Diso koa hoy izy ny lalàna itondrana ny firenena ankehitriny. Mitaky ny antsoina hoe “refondation” na fanarenana ifotony ny rafitra itondrana ny firenena izao, ka tokony hisy ny vinam-piarahamonina mifanentanana amin’ny filan’ny vahoaka Malagasy hoy ihany izy. Ny mpitondra firenena koa tsy mahita làlam-bola raha tsy ny famatsiam-bola avy any ivelany, nefa isika Malagasy manankarena izay tsy hita noanoa. Aza hadino hoy i Pety Rakotonirina fa very vola “763 millions d’Euro” isan-taona ny firenena Malagasy amin’ny tsy fahaizany mitantana ny harena eto Madagasikara. Be lavitra nohon’ny vola omen’ny vondrona eropeanina amin’ny antsoina hoe “FED andiany faha 11”na ny tetikaasa ny vondrona erôpeanina ho fampandrosoana eto Madagasikara izany. Nefa ity farany mandritrin’ny telo taona ny famatsiana aminy. Lasa tantely afa-drakotra tanteraka ny harena eto Madagasikara ka ifandrombahan’izao tontolo izao fotsiny fa indrindra ireo tany manankarena.

Tsy mandeha izao na inona no filaza ary tsy mendrika ny vahoaka Malagasy sy ny firenena hoy ihany izy manohy ny fanambarany. Tsy voaron’ny fanjakana ny fananan’ny vahoaka. Ny asan-dahalo dia tsy vitan’ny fanjakana ny misakana izany. Tsy nahavita ny fanamby napetrany tamin’ny vahoaka ingahy Hery Rjaonarimampianina. Ny demôkrasia dia tsy midika velively hoe tsy maintsy mandany mandà ny mpitondra firenena.

Ny demôkrasia dia “contract” na fifanarahana natao tamin’ny vahoaka ka rehefa tsy nahatanteraka ny fifanarahana dia tsy maintsy aonganin’ny vahoka. Tsy maintsy midina an-dalambe koa ny vahoaka rehefa tsy tontosa ny teny natao tany amin’ny fampielezan-kevitra tamin’ny fifidianana.

Mbola diso koa ny filaazana fa mitady olom-baovao ny firenena hoy i Pety. Ny olom-baovao hatrany no nitondra teto dia izao no nahazo ny vahoaka. Porofon’izany ingahy Hery Rajaonarimampianina sy ny maro teo alohany koa.

Ny fitondrana firenena dia nambarany fa mila fiofanana ka ny antoko politika ihany no mamolavola izany. Ny olon-baovao hoy i Pety dia miankin-doha amin’ny vola ka izany no olana amin’izao fotoana izao, satria tsy mieritreritra raha tsy ny vola ihany. Mila miova toe-tsaina koa ny Malagasy hoy ihany izy. Aoka hazava amin’ny Malagasy fa tsy diso ny tolom-bahoaka nisy hatramin’ny taona 1972 sy 1991 ary ny 2001 sy ny 2009 saingy tsy tokony hanao fahadisoana intsony isika.

Izany no ilazaina fa maika ny fanaovana “refondation” na ny rafitra ifotony hitantanana ny firenena. Noho izany dia tsy maintsy atambatra amin’ny ady hevitra ny fanarenana. Tsara kokoa raha samy mitondra ny heviny dia izany no aravona.

Rehefa tsy hiditra amin’ny ady hevitra ingahy Hery Rajaonarimampianina dia tsy maintsy hidina an-dàlambe ny vahoaka ary hiditra amin’ny krizy mafimafy kokoa ny firenena.

Alohalika ny ranom-bary ankehitriny ka dia any amin’ny filoham-pirenena no iantefain’ny resakin’ny mpitarika tolona sy mpanao politika ary ny vahoaka ankehitriny na hiroso izy na hihemotra.

Latsaka an-katerena tanteraka ny firenena ankehitriny ka enganie ka hilatsahan’ny fanahimasina ingahy Hery Rjaonarimampianina ka hiheno ny vahoaka mikaikaika izao hoy Pety Rakotoniaina mba tsy ho tara loatra.

Nangonin’i Jesy Rabelaolao

Ajouter un Commentaire