Inty sy Nday: Ho tapi-dalan-kaleha tsy ho ela

Misy mpandinika fiaraha-monina iray izay nanamarika fa “ny olona fatra-mpandainga ihany ka tsy mitsitsy ny lainga ataony no ho voalohany tsy ho afaka hanohy mandainga intsony”. Dia mby an-tsaina izany raha mandinika ny fomba fitantanan’ny Hvm ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana.

Izany hoe ny mpitondra fatra-mpampahantra sy mamoritra vahoaka mbamin’ny tsy mitsitsy ny jadona ataony ihany no tsy ho afaka hanohy an’izany maharitra intsony satria tsy maintsy hatsahatry ny vahoaka amin’izany fahazaran-dratsiny sady maloto izany tsy ho ela.

Raha ny tsapa etsy sy eroa tokoa mantsy aloha dia tsy manana fanantenana amin’izao fitondrana izao. Tsy misy mihevitra intsony fa mbola hahavita manarina ny firenena sy manavotra ny vahoaka ao anatin’izao fahantrana lalina izao intsony ny mpitondra ankehitriny. Ny vahoaka aloha dia efa potika sy montsana ara-tsosialy hatrizay, efa fongana ara-toekarena koa, fa izao fitondrana izao izay isan’ny manana dian-tanana amin’izany fampahantrana ny vahoaka izany no ho sahirana atsy ho atsy. Mihevitra hatrany mantsy ny mpitondra jadona zatra mamoritra vahoaka fa ho voasakana amin’ny alalan’ny herim-pamoretana isanandro sy amin’ny alalan’ny famafazana lainga hoe “misy ambadika politika” sy “mitetika hanongam-panjakana” na “manakorontana ireo”, ny raharaha. Tsarovy fa rehefa tena feno ny kapoaka mangidy ampiziogainao ny vahoaka dia tsy te hahafantatra izay ho akony ny olona fa “aleo maty rahampitso, toa izay ho faty anio”. Tsy hotarihina na hampirisihana hamoy fo toa izany anefa ny vahoaka fa hazavaina sy asaina mifamondron-kery izy, ary mifampiresaka amin’izay hevitra sy lalan-kizorana hanavotana ny fiainan’ny isan-tokonam-baravarana. Omena antoka sy fanantenana hatrany izy fa tsy hoe voaozona ny hahantra fa afaka manavotra ny fiainany hatrany.Ny tena tsy azo iadian-kevitra aloha dia tena mamono tena ny fitondrana ankehitriny. Miantehitra amin’ny herim-pamoretana loatra sy ny lainga marivo tototra ry zareo, ary miankin-doha amin’ny filalaovana olona amin’ny vola.

Raha izany anefa no nahavitana niaro fahefana sy fitondrana dia ho nampiharin’ny mpitondra jadona naneran-tany, saingy tsy vahaolana mihitsy izany, dia ireny niaraha-nahita ireny ny nihafaran’ireo mpitondra namoritra vahoaka isany. Nisy an’izany koa ange teto e ! Itodiho ny nanjo an-dRatsiraka indroa miantoana (1992 sy 2002) ary ny nihatra tamin-dRavalomanana tamin’ny 2009.

Ralay

Ajouter un Commentaire