Hetsiky ny mpivarotra amoron-dalana: Nivadika politika ny fitakiana

Sahirana tanteraka ny ben-tanana Lalao Ravalomanana manoloana ny fitakiana ataon’ireo mpivarotra amoron-dalana amin’izao fotoana izao. Raha fanoherana ny fandaminana napetraky ny kaomina no fitakiana nataon’izy ireo teo aloha, dia lasa nivadika politika tanteraka izany ankehitriny satria ny fialàn’ny ben-tanana eo amin’ny toerany mihitsy izao no takian’ireo mpivarotra ary hanaovana fihetsiketsehana an-dalambe. Raha tsiahivina dia ny talata lasa teo no niroso tamin’ny fihetsiketsehana an-dalambe ireto mpivarotra amoron-dalana ireto ary nanomboka tamin’io andro io no nivoahan’ny fitakiana voalohany amin’ny tokony hialan’ny ben-tanana an’Antananarivo eo amin’ny toerany. Tsy nijanona teo fa mbola nitohy omaly ny fidinana an-dalambe ataon’ireo mpivarotra na dia niampy aza ny isan’ireo mpitandro ny filaminana nihaodihaody teny Analakely sy ny manodidina. Nampiavaka ny hetsika omaly ny fahamaroan’ireo sorabavety nolanjain’ireo mpanao fihetsiketsehana izay maneho ny fandavana ny fanadiovana ataon’ny kaomina Antananarivo Renivohitra ary mitaky ny fialàn’i Lalao Ravalomanana. Mizara roa tanteraka moa ny hevitry ny mponina eto andrenivohitra mikasika ny fandaminana ataon’ny kaomina amin’izao fotoana izao raha ny fanadiadiana natao sy ny resaky ny olom-pirenena amin’ireo tambazotran-tserastera. Misy ireo mankasitraka ny fanapahakevitra raisin’ny kaomina mba tsy ho gaboraraka ny tanàna ary misy kosa ireo mihevitra fa tsy tokony mbola ho esorina ireto mpivarotra amoron-dalana ireto raha mbola tsy misy ny fepetra mifanarika amin’izany mba ho fitsinjovana azy ireo. Ny tsy azo lavina dia tsy ho mora ny hifehezana ireto mpivarotra tsy ara-dalana ireto ary ho m sarotra ny hitadiavana vahaolana satria miankina amin’ny fiforonan’asa misy eto amin’ny firenena ihany no hampihena na ahafoana azy ireo tanteraka. Tsy ny fiadiadiana ny tanàn’Antananarivo mihitsy no ahavita hamaha an’ity olana lehibe iray eto andrenivohitra ity satria tsy afaka ny hamorona asa ny kaomina fa anjaran’ny fanjakana foibe no mitady ny vahaolana rehetra mba hananan’ny vahoaka asa mendrika. Raha ny zava-misy anefa dia toa tsy misy na inona na inona azo hantenaina amin’ny fanjakana misy ankehitriny raha eo amin’izay resaka famoronan’asa izay. Marihana fa nandritran’ny fampihelezan-kevitry ny fifidianana ben-tanana sy mpanolotsaina monisipaly natao tamin’ny volana jolay tamin’ny taon-dasa dia tsy nisy na iray aza tamin’ireo kandida nilatsaka teto Antananarivo renivohitra no nanana fandaharan’asa mazava hamahana ity olana amin’ny fivarotana amoron-dalana ity. Fa raha hiverenana ny fihetsiketsehana niseho tetsy Analakely omaly sy ny talata lasa teo dia hita ho nitombo ny isan’ireo mpivarotra nanao fihestsiketsehana raha hampitahaina tamin’ireo hetsika tany aloha tany. Tsara ihany anefa no manamarika fa ny ankamaroan’ireo mpivarotra amoron-dalana tsy ara-dalana eny Analakely, Behoririka sy ny manodidina dia tsy mponina eto amin’ny kaomina Antananarivo renivohitra fa saika mponina avy any amin’ireo kaomina ivelan’ny renivohitra avokoa.

F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire