Filoha Hery Rajaonarimampianina: Mitovy fomba amin’i Marc Ravalomanana
Azo porofoina amin’ny fihetsiny sy ny fombafombany ary ny zavatra ataony ny olona roa na maromaro. Ny sekoly iray koa dia mamoaka mpianatra mitovy fihetsika sy fahaizana ary fahalalana. Hoan’ny mpanao haiady dia tarafina amin’ny mpampianatra azy ny toe-tsain’ny mpianany. Ny ohabolana Malagasy koa dia milaza mazava tsara fa “izay miaraka amin’ny amboa lambo dia amboa lambo”. Hita amin’izao fotoana izao fa mitovy tsy misy hafa ny fomban’ingahy Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina. Ny mpampianatra azy ireo teo amin’ny sehatrin’ny politika dia ingahy Ratsirahonana lala Norbert, ary samy naka an’ity olona ity ho mpanolotsaina manokana koa. Ny fotoana niarahan’izy roalahy ireo indray dia ny asa tao amin’ny orinasa TIKO. Ankehitriny dia hita taratra tanteraka fa ny nataon’ny iray teo aloha ihany no ataon’ity iray farany. Tsy inona izany fa ny fampizarazarana ny Malagasy tamin’ny alalan’ny antoko. Rehefa handrava ny antoko Arema ingahy Ravalomanana Marc dia nasainy nanangana ny Arema Matotra ingahy Pierre Raharijaonina. Dia nisavoritaka teo ny mpitolona Arema ka nomeny sehatra tao amin’ny Tim ny Arema Matotra ity ka taty afara aza dia nampiasainy koa ingahy Vaovao Benjamin hiady amin’ny filoham-panorina ny Arema dia ingahy Ratsiraka izany. Ingahy Rajaonarimampianina indray dia nampisaratsaraka ny Mapar ka nasiany Mapar -1 sy Mapar-2 ary Mapar-3,izay antoko isan’ny matanjaka tamin’ny tetezamita. Tsy vitan’izany fa mbola norafesiny koa ingahy Andry Nirina Rajoelina izay nanolotra azy ho kandidàn’ny Mapar. Tsy izay ihany fa ampizarazarany koa ankehitriny ny mpanao gazety sy fiarahamonim-pirenena. Amin’izao fotoana izao indray dia misedra olana indray ny mpino silamo eto Madagasikara amin’ny alalalan’ny mpanolotsain’ny praiminisitra.
Mbola itovian’ingahy Hery Rajaonarimampianina sy Marc Ravalomanana koa ny fidirana mitoriteny any ampiagonana sy hampiasa ny fivavahana kristianina ho fitaovana politika. Raha tsorina ny raharaha dia mitovy tsy misy hafa izy roalahy ireto fa ny anarana fotsiny no samy hafa. Tamin’ny andron’ingahy Ravalomanana Marc dia niteraka olana teto amin’ny firenena ny raharaha fivarotana tany sy ny fanofana izany tamin’ny vahiny. Ankehitriny koa dia io iarahana mahita io ny raharaha tany omena ny sinoa sy ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany izay atao tantely afa-drakotra. Teo amin’ny fampiasana ny volam-panjakana tsy ara-drariny dia mitovitovy ny raharaha. Mampieritreritra ity raharaha ity ary tsy mahagaga raha mifanaraka tsara izy roalahy ireo ankehitriny fa mody miady fotsiny ihany.
Nangonin’i Jesy Rabelaolao
Commentaires
S’abonner au flux RSS pour les commentaires de cet article.