Mitsangana ry Malagasy: Tsy nahazo ny kianja mitafon’i Mahamasina

Anio no hamory vahoaka etsy Andrefan’Ambohijanahary ireo mpanao politika mivondrona ao anatin’ilay hetsika « Mitsangana ry Malagasy ». Tany amboalohany dia tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina no saika hanantanterahana ity famoriam-bahoaka ity fa satria tsy mbola namaly ny fangatahan-dalana ny eo anivon’ny kaomina Antananarivo renivohitra, dia nanapakevitra ireo mpitarika ao anatin’ity  vovonana politika ity fa hanfindra eny Andrefan’Ambohijanahary, eny amin’ny toerana misy ny «Croua» teo aloha no hanaovana izay fihaonana amin’ny vahoakan’Antananarivo izay. Raha ny fanazavana nomen’ny minisitry ny jono sy ny harena an-dranomasina teo aloha, Hery Raharisaina, isan’ireo lohadohany mpitarika ny hetsika Mitsangana ry Malagasy , dia nampiseho fiavonavonana ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny fiadiadiana ny tanàna ary izany dia midika fa tsy miheritreritra ny hanome ny kianja mitafon’i Mahamasina izy ireo. Na eo aza anefa ny sakatsankana amin’ny endriny samihafa dia tsy hihemotra ny hetsika fa  maintsy tanterahana amin’ny daty efa napetraka tany amboalohany, izany hoe amin’ity sabotsy 27 aogositra ity raha ny fanazavana nomen’i Hery Raharisaina. Tsara ihany ny manamarika fa tanjon’ny vovonana Mitsangana ry Malagasy amin’ity hetsika atao androany ity ny fanazavana amin’ny vahoaka ny zava-misy marina eto Madagasikara  indrindra fa ny mikasika ireo fomba ratsy hitantanan’ny mpitondra ny firenena. Hisy ny famelabelaran-kevitra ho ataon’ireo mpikambana amin’io fotoana io ary azon’ireo olom-pirenena rehetra tonga manatrika ny fivoriana ny manolotra sosokevitra na vahaolana hivoahana amin’izao krizy sy fahasahiranana lalina hiainan’ny vahoaka izao. Marihana ihany fa tao aorianan’ny fanambarana niezinezina nataon’ny Mitsangana ry Malagasy ny faha 9 ny volana jolay lasa teo dia izao indray izy ireo no miantso vahoaka. Tao anatin’ny fanambarana natao no nangataka ny filoham-pirenena mba hametra-pialàna ireo mpanao politika mivondrona ao anatin’ny fikambanana. Ireto farany izay mahita fa tsy voafehin’ny mpitondra intsony ny fitantanana ny firenena ka izay fametra-pialàna izay no vahaolana tsara sy mendrika indrindra.

F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire