Sary mihetsika “Porno” Malagasy: Miparitaka ary hamidy any Frantsa
Miparitaka amin’ireo “Sex shop” na ireo trano fivarotana sary mihetsika mamoafady any Frantsa nanomboka omaly, ny sary mihetsika vaovao izay nahodina teto Madagasikara. “Private tropical Madagascar” no lohatenin’ilay horonantsary ary vehivavy Malagasy sy lehilahy teratany Frantsay avokoa no milalao ao anatin’ilay sary mihetsika. Rehefa jerena ny toerana nanodinana ity sary mihetsika ity dia eto Madagasikara no nanaovana azy, teny amin’ny tora-pasika izay mbola tsy fantatra mazava aloha hatreto hoe faritra aiza. Raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana dia mitetina 27 euro na manodidina ny 9 alina ariary ny vidin’ny kapila iray amin’ity horonan-tsary mamoafady vita teto Madagasikara ity ary maharitra eo amin’ny ora 2 eo ho eo ny faharetany. Marihana fa any amin’ireo firenena mandroso, indrindra fa any amin’ireo firenena tandrefana tahaka an’i Frantsa, dia tsy voaràran’ny lalàna ny famokarana sary mihetsika mamoafady sy ny famarotana izany. Mifanohitra tanteraka amin’ny eto Madagasikara satria sady voaràran’ny lalàna ny mamokatra sy ny mivarotra ny vokatra. Mazava hoazy fa matoa tontosa soamatsara teto amitsika izay horonan-tsary mamoafady izany dia nahodina an-tsokosoko izany na mety nisy ihany koa ny firaisana tsikombakomba tamin’ireo manam-pahefana any amin’ny toerana nanodinana azy. Sambany moa no nisy sary mamoafady nahodina teto Madagasikara no hamidy amin’ny fomba ara-dalàna tahaka izao any Frantsa. Tsy fantatra na mbola hisy ihany koa ny horonantsary hafa hivoaka aorian’ity nivoaka omaly tany Frantsa ity. Efa gaboraraka loatra ny firenena ankehitriny ary tsy voafehin’ny mpitondra intsony ka tsy mahagaga raha misy ny trangan-javatra tahaka izao.
F.T.