Inty sy Nday: Miantehera ihany amin’ny vahiny e !

Isan’ny tranga iray nanamarika an’iny herinandro lasa teo iny ny fahenoana fa manomboka amin’ity herinandro ity dia hikatona ny orin’asa afa-kaba Floreal. Voalaza fa mpiasa 1.300 no  hitsahatra amin’ny asany.

Raha ny fanazavana re aloha dia hoe “atsahatra noho ny antony teknika (en chômage technique) izy ireo, ka rehefa tonga ny fanafaran’ny any ampita entana (commande) dia ampanantsoina ireo mpiasa”.

Raha ny lalàna velona koa anefa dia tsy mahazo miasa amin’ny sehatra hafa ireo mpiasa miato noho ny antony teknika ireo, nefa koa dia tsy mandray karama amin’ilay orin’asa niatoany ara-teknika satria tsy niasa kosa!

Maro amin’ireo mpiasa tao amin’ity orin’asa afa-kaba ity koa anefa no efa tsy manantena ny mbola hisokafan’ity orin’asa ity intsony.

Hanamaro isa an’ireo orin’asa afa-kaba nikatona tato anatin’ny fito taona farany izany izao hitranga amin’ny Floreal izao.

Ity asa amin’ny orin’asa afa-kaba ity dia ady hevitra be teto amin’ny tany sy ny fanjakana, indrindra fa tamin’iny vanim-potoanan’ny tetezamita teo iny. Nohararaotin’ny mpiara-dia tamin-dRavalomanana nanaovana fampielezan-kevitra politika hanandratana an-dRavalomanana mantsy ny hoe “tsy nahaizan’ny mpitondra tetezamita niaro an’io sehatra io mba tsy ho tonga amin’ny fikatonana toa izao”. Ny marina aloha dia tsy nitondra fampivoarana ny sosialy sy ny toekarena teto ireny orin’asa afa-kaba ireny. Ingahy Ravalomanana aza moa tamin’ireny 2008-2009 ireny dia niteny hoe “sitrany ahay mba misy asa ho an’ny tanorantsika nefa…”  Ny fitantanana ny raharaham-pirenena, tompoko, tsy azo atao an’izany sitrany ahay izany”.  Isan’ny ady hevitra tamin’ny 1990, raha nentina teo anoloan’ny Antenimierampirenena tamin’izany ny hoe “ahoana ny fahavononantsika Malagasy amin’ny lafiny toekarena raha hampiditra an’ireny orin’asa afa-kaba ireny eto isika ?”

Andetrezana sy amboletra fotsiny moa no nankatoavan’ny solombava Arema an’io lalàna momba ny orin’asa afa-kaba io tamin’izany. Nanampy ny Arema ny solombava Mfm sy ny avy amin’ny Vonjy iray tsy mivaky. Tsy naneho ny heviny kosa satria tsy resy lahatra ny solombava Akfm sy ny avy amin’ny Akfm Fanavoazana. Ny Depiote tokana avy amin’ny Monima no nanana fahasahiana nitsipaka an’io lalàna io.

Tamin’izany mantsy dia efa tsikaritra fa  ho endri-panandevozana vaovao ho an’ny tanora Malagasy io. Dia ireny niarahantsika nahita ireny fa tsy nisy ny mba fanajana ny lalàna velona momba ny asa teto tamin’izy ireny, ary tsy voahaja mihitsy ny zo aman-kasin’ny mpiasa. Raha nisy vehivavy bevohoka, ohatra, dia tsy nomena zo hipetraka amin’ny seza izy raha tsy maintsy niasa, fa mijoro mandritra ny 14 ora na 18 ora isanandro. Ny mpiasa sasany, raha sendra marary dia efa norarana ny mpitsabo tsy hanome fialan-tsasatra azy ireny hamerenany ny heriny. Ny toekarena koa tsy nisy fotony satria na bokotra sy kofehy nentina namitàna ny akanjo tao amin’ireny orin’asa afa-kaba ireny aza dia nohafarana tany ampita nefa tokony ho novokarina teto dia mba nitondra asa sy tombontsoa ho an’ny toekarena Malagasy. Ny mpitondra fanjakana nifandimby rehetra teto hatramin’ny nanekena ny fijoroan’ny orin’asa afakaba teto ireny dia tsy nisy nahasahy nametraka fenitra mba hanajana ny zon’ny mpiasa tamin’ireny,  sy mba hitakiana ny tombontsoan’ny firenena tamin’izy ireny fa dia nandeha goana fotsiny.

Midika izany fa na ny mpitondra teto aza tsy nisy nanana politika ara-toekarena matotra nenti-niantoka ny fanarenana ara-toekarena sy ny fikatsahana ny vahaolana ara-tsosialy.

Mbola taratry ny fiankinan-doha amin’ny vahiny ihany no fototr’izany rehetra izany.

Faralahy

Comments are now closed for this entry