Jirama: Mihamafy ny delestazy
Tofoka sy leo tanteraka amin’ny fahatapahan-jiro na ny delestazy ny mpanjifa ny JIRAMA. Raha ny hita tato anatin’ny herinandro teo izay dia mihamafy ny delestazy eto andrenivohitra sy ny manodidina ary saika ireo fokontany rehetra no voakasika. Andro aman’alina no hisehoan’izay fahatapahan-jiro izay ary matetika dia maharitra ora maro mihitsy ny faharetany. Rehefa tsy maharitra ela indray ny delestazy dia tapatapaka mandritran’ny fotoana maharitra, toe-javatra izay vao maika manahirana ny mpanjifa satria manimba ny fitaovana mandeha amin’ny herinaratra ao an-tokantrano. Ny faran’ny herinandro teo no tena nihamafy ny fahatapahan-jiro, raha ho an’ny tetsy amin’ny kaominina Ampitatafika manontolo ohatra dia nanomboka maraina no tapaka ny ny jiro ary ny atoandro vao niverina. Tsy ny eto Antananarivo sy ny manodidina ihany fa hatrany amin’ny faritra rehetra any no ahitàna izay delestazy izay raha ny fampitam-baovao azo.Na misy aza ny fampilazana avy amin’ny orinasa Jirama dia tsy mampihena ny fahasorenana’ny mpanjifa izany.
F.Tsihiavonana