Itremo: Notafihin’ny dahalo ny tanàna sy ny tobin’ny zandary
Tamin’ny sabotsy faha 27 aogositra 2016 lasa teo dia notafihin’ny dahalo ny tanànan’i Itremo, izay renivohitrin’ny kaominina iray ao amin’ny distrikan’ Ambatofinandrahana. Ny ombin’ingahy Razafimiadana no lasibatra tamin’izany, ka lasany ny omby miisa 8. Tsy ny tao an-tanàna ihany anefa no notafihin’ny dahalo ireto fa nataony fehirano tao amin’ny toby ny zandary miisa enina tao amin’ny tanàna ity. Notifirin’ireo dahalo ny toby ity ka tsy nisy afaka nihetsika ireo zandary tao.
Ity toby ity aloha no nataon’ireo dahalo ireo ny hifehezana ny tanàna, ka rehefa tsy afaka nihetsika intsony ny zandary dia nalain’izy ireo moramora foana ny ombin’ity olona ity. Tsy nisy afaka nivoaka ny trano koa ny mponina tao amin’ny renivohitrin’ny kaominina ity. Rehefa tongan’izy ireo teo ambony atsinanan’ny tanàna ny omby dia niantso ny zandary hiady aminy koa izy ireo ka nanao hoe :
« Mivoaha ianareo raha hiady aminay fa indreto izahay ».
Tsy nisy nihetsika moa na ny zandary na ny mponina teo anatrehan’ny basy kalaky maromaro nentin’izy ireo. Indroa izao no nisy fanafihana tobin’ny zandary tao amin’ny distrikan’ Ambatofinadrahana tao anatin’ny iray volana.
Eo anatrehan’izany dia miravoravo tanana tanteraka ny mponina.
Raha mitohy izao toe-draharaha izao dia toa ny zavatra mitranga any amin’ny faritra Ankazoabo sy Beroroha iny no hiseho ao amin’ity distrika ity.
Nangonin’i Jesy Rabelaolao