Mpanan-kato sy politika: Vaky vava amin’ny afitsoky ny filohampirenena i Jaojaoby Eusèbe
Isan’ny sokajin’olona saro-toerana amin’ny asany ny mpanankanto, indrindra fa eo anoloan’ny resaka finoana sy resaka politika. Ny sangan’asan’ny mpanankanto mantsy dia natao ho an’ny sokajin’olona rehetra ka tsy afaka ny mampiseho miharihary ny heviny ara-politika matetika ny mpanankanto. Misy kosa anefa fotoana izay iantsoan’ny hasin’ny tanindrazana ny zanany, indrindra fa ireo tsara sitra-po, mba hijoro hanavo-drevo satria efa mby an-koditra ny loza.
Toy ny fientanan’ny vahoaka amerikana tsy nisy ankanavaka tamin’ny raharahan’ny 11 septambra 2001 e! Niara-nientana ny vahoaka amerikana nanameloka sy namaky ady tamin’ny asa fampihorohoroana.
Tsy misy valaka amin’izany ny vanimpotoana ankehitriny diavin’ny firenena malagasy satria potika ny vahoaka, montsana ny tanindrazana, lafo varo-boba ny firenena. Ny zanak’i Madagasikara mihitsy no iantefan’ny fanainga mba haneho ny fandraisany andraikitra.
Tena mampiteny moana ara-bakiteny ny fihetsika mamoehitra ataon’ny fitondram-panjakana ankehitriny. Isan’ireny moana loa-bolana ireny i Jaojoby Eusèbe, mpanankanto. Tsy hoe moana akory ity Mpanjakan’ny salegy ity fa amin’ny maha-mpanan-kanto azy dia niezaka tsy niditra tamin’ny ady hevitra politika ny tenany.
Amin’ny maha-olom-pirenena kosa anefa dia loa-bava i Jaojaoby Eusèbe tamin’ny sabotsy nandritra ny hetsiky ny “Mitsangana ry Malagasy” fa “tena tsy izy intsony ary tsy anantenana na inona na inona satria mpamitaka vahoaka sy mpivadi-belirano ny filohampirenena Rajaonari mampianina”.
Mba niezaka nampandefitra ny zavatra maro nibosesika tato anatiko izay nanaporofo tamiko ny fahadisoam-panatenako taminy aho, hoy izy, saingy tsy voasakana mihitsy izany satria mihoatran’ny fefin’ny ahafahana mampandefitra ny hatezerana ny famotehana tanindrazana ataon’ny filoha Rajaonarimampianina toa izao, ka tsy afaka hangina ny amin’izany ny tenako.”
Hain’i Jaojaobe Eusèbe mihitsy ny nanavaka ny maha-mpanan-kanto azy amin’ny maha-olom-pirenena azy, ary tsy nitsitsiany fitenenana tamin’ny sabotsy raha nanakiana sy nanambara izy fa “mpamitaka sy mpivadi-belirano ny filohampirenena ankehitriny”.
Raha manara-maso ny akon’ny fiainam-bahoaka amin’ny ankapobeny ankehitriny isika dia hahatsapa fa tsy diso ny fanamarihan’ity mpanankanto ity satria iombonan’ny maro mahatsapa.
Ny fifanarahana nifanaovan’ny vahoaka tamin-dRajaonarimampianina, na ny tsy nifidy azy aza dia nanaiky azy ho filoha, ka endriky ny fifanarahana ara-tsosialy izany, satria nankato azy ny rehetra. Nivadihany anefa izany satria tsy ny fikatsahana ny tombontsoam-bahoaka no nilofosany fa ny fanomezana vahana ny tandapa isanisany hanararao-pahefana amin’ny fivarotan- tanindrazana, amin’ny tsikombakomba amin’ny vahiny momba ny fandrobana ny harem-pirenena, ny amin’ny asa fampihorohoroana ny sokajin’olona tsara sitra-po tsy te hanan-dratsy ka miteny tsy misorona ny tsy fetezan’ny fitantanana ny raharaham-pirenena, sy ny maro tsy ho voatanisa.