Lalana Antanifotsy-Ambohitompoina: Miara-miasa ny Faritra sy ny MATOY

Ho nofy ratsy sisa ny haratsian’ny lalana amin’ireo commune saro-dalana ao amin’ny Distrikan’Antanifotsy amin’ny ilany Atsinanana. Ny Faritra Vakinankaratra miaraka amin’ny Fandaharan’asa Matoy no miara-misalahy amin’ny asa rehetra. Mirefy 26 km ity lalana miala avy ao Antanifotsy miantsinanana ity ary ireo “Point noir” rehetra dia hokitihina avokoa.

Ny fiandohan’ny volana Aogositra no nanomboka ny asa rehetra, ireo fiara vaventy avy ao amin’ny travaux public miampy ny an’ny Faritra Vakinankaratra no miasa any , miara-miasa amin’ireo fitaovana vaventy ireo, ny teknisianin’ny asa vaventy eto amin’ny Faritra Vakinankaratra eo ihany koa ny fokonolona any an-toerana. Zava-dehibe ny fanamboarana ity lalana ity, satria ankoatran’ny famoahana ireo vokatra maro amin’iny faritra iny dia isan’ireo misy ny tetikasa ZIA na ny “Zone d’Investissement Agricole” ny ao amin’ny Commune Andranofito, izany hoe misy ireo mpanambola hampiasa vola amin’ny tontolon’ny fambolena sy fiompiana any amin’iny faritra iny.Midika izany fa misokatra ny ho avy ara-toekarena amin’iny faritra iny, ary ho santatr’izany ny fahavitan’ny lalana. Ny faran’ny herinandro teo dia tonga nitsidika ny fanamboaran-dalana tany antoerana ny Lehiben’ny Faritra Vakinankaratra ANDRIANJANAKA Mandrindra Albert ary nisaotra sy nankahery ireo mpiara-miasa rehetra. Fantatra ihany koa fa ny sabotsy teo dia tonga tany an-toerana ny Minisitry ny Asa vaventy  Razafimandimby Eric sy ireo mpiara-miasa aminy nijery ifotony ny fanamboarana. Velom-bolo arak’izany ny mponina rehetra amin’iny Ilany Atsinanana ao amin’ny Distrikan’Antanifotsy iny satria ho nofy ratsy sisa ny haratsian-dalana any amin’iny faritra iny satria efa ampolo taona maro izay no tsy nisy mpikitika sy fanamboarana ny point noir, satria na ny fiara tsy mataho-dalana ary tsy sahy mihazo iny faritra iny, indrindra fa amin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra.  Voaporofo hatrany ny fahamatoran’ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny Faritra Vakinankaratra sy ny fandaharan’asa Matoy satria tsy mijanona eo ambony latabatra izany fa tena midina hatrany anaty vovoka mihitsy.Tsiahivina ihany fa naharitra 3 taona ny fiaraha-miasa ary amin’ity taona 2016 ity no hifarana ny fiaraha-miasa rehetra.

Abel Ratsimbazafy

Ajouter un Commentaire