Farafangana: Tratran’ny mpitandro ny filaminana ireo mpamaky trano

Nanadala ny mponina ny vaky trano teto an-tampon-tanànan’i Farafangana tato ho ato, voatafika ny biraom-panjakana, ny tranon’olon-tsotra ary koa ny fivarotana , manoloana izany toe-javatra izany dia nandray ny andraikiny ireo mpitandro ny filaminina ka nody ventiny ny rano natsakaina satria dia nisy tratran’i zandary ny herinandro lasa teo ireo jiolahy roalahy nanafika tao Madraodrano. Araka ny fitantaran’ny avy amin’ny borigadin’ny zandarimaria dia alin’ny 23 hifoha 24 lasa teo tamin’ny 2 ora maraina no nahatratrarana olona roalahy nitondra kidoro sy vilany. Rehefa voasambotra ny iray nasiana tady vy dia namaly ny namany ka saika hikapa famaky ny  zandary iray, noho ny hakingana dia tsy voa ilay mpitandro ny filaminana  ka tao anatin’ny fifanjevoana no nahavoatifitra ilay jiolahy izay namaly sady nanao tari-dositra. Voa teo amin’ny kibony ity jiolahy mitondra ny anarana Dada ity ka taorian’ny nitsaboana azy tao amin’ny hopitaliben’i Farafangana dia namoy ny ainy ity  farany fa afaka nanambara ireo namany ihany ka nahafahana nisambotra roalahy hafa ka mitotaly telo izany no velon’aina voasambotra amin’izao fotoana izao. Mifandraika amin’izany fitandroana ny fandriapahalemana izany dia nivory miaraka amin’ny sefo fokontany eto Farafangana ireo tompon’andraikitry ny fitandroana ny filaminana ny 25 aogositra hanamafisana ny andraikitry ny tsirairay sy hanatsarana ny fifanakalozam-baovao ahafahana mitily sahady ireo olona mety hanao ny asa ratsy. Tompon’antoka amin’ny fampiatsoana ny fivoariana ny talen’ny borigadin’ny filaminam-bahoaka ny kaomisera Andrainony Philbert, ny kaomandy kaompanian’ny zandary Farafangana lietnà Ravelona Serge Celsuis ary ny « commandant d’arme » avy amin’ny tafi-bahoaka lietnà Sondromananarivo Fanjaniaina Vitrice. Tsy nanao ambanin-javatra ny lafiny serasera koa ireto ekipan’ny mpitandro filaminana ireto fa dia nampiantso koa ny mpanao gazety hivoy ny fisihan’ny nomerao maintso mitondra ny laharana 119, nentanina koa ny olona mba hitondra kara-panondro raha hivoaka ny trano indrindra amin’ny alina.

Morasata Marc

Ajouter un Commentaire