Manandriana: Notafihin’ny dahalo ny renivohitrin’ny distrika
Renivohitrin’ny distrika ao Manandriana ny tanànan’ Ambovombe Centre, ao amin’ny faritra Amoron’i Mania. Tamin’ny alakamisy alina faha 25 nifoha ny zoma faha 26 aogositra 2016 lasa teo. Ombin’ny mpandrato (mpivarotra omby) avy any Talatan’i Vohimena sy Fenoarivo izay namonjy ity renivohitra ity, noho ity toerana ity izay misy tobin’ny polisy sy ny zandary no antony natoriany tao satria noheverina fa tsy ho sahin’ny dahalo hotafihina. Ny alina tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany dia tonga ny dahalo naka ireto omby ireto ka poabasy tsy nisy toa izany no nitranga hoy ny nanatrika. Na ny polisy na ny zandary dia tsy nisy afaka nanao na inona na inona. Hatramin’izao dia tsy hita ny omby. Very hevitra ny mponina ao Ambovombe Centre amin’izao fotoana izao hoy ny depiote Andrianjanahary Fanomezantsoa izay nampita ny vaovao. Tsy io ihany hoy ity depiote ity fa nisy fanafihana koa ny kaominina tao Soatanana ka ny tanànan’
Ambohimalakony no voaroba tamin’ny 3 ora tolakandro tamin’io zoma faha 26 aogositra 2016 io ihany. Omby 24 no lasan’ny dahalo tamin’izany. Mbola teny Ampiarakandrovana no nalain’izy ireo ny omby ireo ka dia notazanina fotsiny. Tao amin’ny kaominina Ambohimilanja dia omby 18 lasa ny dahalo tamin’ny 1 ora atoandro. Ny tao amin’ny kaominina Ilanjana indray, mbola tamin’io zoma faha 26 aogositra 2016 ihany fa saingy tamin’ny 4 ora sy 30 minitra no nanafika ny dahalo. Mitovy tanteraka tamin’ireo fanafihana teo aloha ny zavatra nitranga.
Ny sabotsy faha 20 aogositra indray dia tao Fizinana ny dahalo no nanafika. Tamin’ity tanàna ity indray dia omby teny amin’ny lanonana no notafihin’ny dahalo. Mbola teo ampisakafoanana ny mpanao famadihan-drazana no tonga ny dahalo. Nisy polisy roalahy ihany nantsoina hitandro ny filaminana tamin’izany, nefa dia nitsoaka ireo polisy ireo satria dahalo miisa 20 mahery no dahalo nanafika, ary mitondra basy kalaky efa ho 10 mahery. Nojerena fotsiny ny omby nalain’izy ireo ary noravana ny famadihana. Tamin’ny fanafihana rehetra ireo dia dahalo mihoatran’ny 20 hatrany no manafika ary mitondra basy marovava avokoa.
Manainga ny mpitondra fanjakana hijery haingana izao raharaha izao ny mponina ary ny depiote any an-toerana. Marihina hoy ilay depiote fa mianatsimo avokoa ny omby very rehetra ireo, izay miisa 100 mahery tao anatin’ny herinandro. Maro no mieritreritra fa hamonjy ny valabe any Ankaramena ireo na hoany amin’ny labatoaran’ny sinoa any Ihosy sy Toliara.
Nangonin’i Jesy Rabelaolao