Eklipsa: Betsaka ny Malagasy no ho jamba

Hatramin’ny androany faha 31 aogositra 2016 dia tsy mety mividy ilay solomaso natao hanaovana amin’ny fanakonan’ny volana ny masoandro amin’ny 1 septambra 2016 izao ny Malagasy. Voalaza anefa fa mahajamba ny fijerena ny fanakonan’ny volana ny masoandro io raha tsy misy ity solomaso ity. Haharitra adiny telo ity fihaonanan’ny volana sy ny masoandro ity. Ny faritra rehetra eto Madagasikara dia hahita azy avokoa saingy ny ao Toamasina sy Mahajanga no tena hisitraka izany. Ny any Toamasina anefa dia toa ho salovan’ny andro ratsy ity fanakonan’ny volana ny masoandro ity, noho ny rahona izay ho maro amin’io fotoana io, izay vokatrin’ny rivotra alizay hamely mafy iny faritra iny. Na izany na tsy izany anefa dia tsy hahasakana ny olona tsy hijery izany, fa indrindra ireo kilonga izay tia andrakandrana. Ny any ambanivohitra koa dia maro no tsy mahalala loatra ny fisian’ity fanakonana masoandro ity ka mety hizaha izany tsy misy solomaso. Vokatr’izany dia tsy maintsy ho maro no ho voan’ny hajambana aoriana ao. Ny solomaso koa tsy ho tonga any ambanivohitra any satria any amin’ny fivarotana fanafody sy ny fivarotana solika ary ny tranombarotra lehibe(super marché), ary ireo mpivarotra solomaso ara-dàlana. Ireo rehetra ireo dia samy tsy misy any ambanivohitra avokoa, ka aiza no hahitan’izy ireo ity solomaso fiarovana ity? Mazava hoazy izany fa natao hiarovana ny mason’ny olona mipetraka an-tanan-dehibe ihany ny solomaso manokana ity. Na dia ny mponina an-tana-dehibe aza dia maro no tsy hividy ity solomaso ity, satria hatramin’izao aloha dia vitsy ny olona mandeha amin’ireny toerana ireny ka hividy ity solomaso ity. Mahagaga fa tsy taitra amin’izany ny olona fa indrindra ny Malagasy. Ny vidiny koa ambony satria mitovy vidy amin’ny vary 4 kapoaka amin’izao fotoana izao. Maro anefa no Malagasy mahantra sy fadiranovana ka tsy hahavidy ilay solomaso, satria mahatratra 92% ny fianakaviana Malagasy no mahantra. Dia sanatria ve ka hariana fotsiny io solomaso nafarana io satria tsy hisy hividy, sa kosa sao dia tokony hamidy mora amin’ ny vahoaka na ho zaraina amin’ny Malagasy izay mahantra amin’izao fotoana izao mba hiarovany ny masony ? Afaka 50 taona indray vao hisy fanakonan’ny volana ny masoandro manaraka hono.  Anjaran’ny fanjakana izany ka dia ho hitan-tsika eo ny fividianana ity solomaso ity.

Jesy Rabelaolao

Ajouter un Commentaire