Fitrandrahana volamena ao Vohilava: Niverina ireo sinoa ary nanapoaka basy

Mieritreritra azy ireo ho ambonin’ny lalàna mihitsy ireo sinoa mitrandraka volamena ao amin’ny kaominin’i Vohilava, distrikan’i Mananjary. Raha tsiahivina dia ny sabotsy 27 aogositra teo no naaton’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana ao amin’ny faritr’i Fatovavy Fitovinany ny fitrandrahana volamena ataon’ireto sinoa ireto, dia gaga ny mponina ao an-toerana raha nahita fa niverina  ary manohy ny asany ao amin’ilay karieram-bolamena indray izy ireo omaly alatsinainy. Tsy vitany hoe niverina ihany fa sady nanapoaka basy ireo sinoa rehefa tafaverina tao an-toerana ka nanaitra ny mponina. Tsy fantatra mazava moa ny tena anton’ilay poa-basy satria hatreto dia mbola tsy nisy ny fampitam-baovao ofisialy avy amin’ireo manam-pahefana ao an-toerana momba ity raharaha ity. Marihana ihany fa tsy mankasitraka ny fitrandrahana volamena ataon’ireto sinoa ireto ny mponina ao amin’ny kaominin’i Vohilava sy ny manodidina ary nampahafantarin’izy ireo  tamin’ny alalan’ny fihetsiketsehana an-dalambe izany tamin’ny fiandohan’ny herinandro lasa teo. Noho izay fanoheran’ny vahoaka izay indrindra no antony nandraisan’ireo manam-pahefana ny fanapahan-kevitra amin’ny fampiatoana ny fitrandrahana ny sabotsy lasa teo. Raha ny resaka mandeha ao an-toerana dia misy ny tompon’andraikitra ara-panjakana ambony no miaro ireto teratany sinoa ka izay no mahatonga azy ireo mbola niverina nanohy ny fitrandrahana ao amin’ilay karieram-bolamena ary mihevitra azy ireo ho ambonin’ny lalàna ary tsy azo kitikitihana. Toe-javatra tsy dia mahagaga loatra moa ny tranga toy izao, izany hoe ny fisiana olona ambony miaro teratany vahiny, ary saika manerana ny nosy no ahitàna izany raha tsy hilaza afa-tsy ny mitranga ao Soamahamanina.

F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire