Asan-dahalo: Kolonely misotro ronono no mpamatsy basy

Ao amin’ny faritra Betsileo manontolo, izay miala avy any Fianarantsoa sy Ikalamavony, Ambatofinandrahana ary Ambohimahasoa, izay tonga hatrany amin’ny faritra Bara, dia ambeti-tenin’ireo tantsaha izany Kolonely avy amin’ny tafika izay misotro ronono izany. Raha ny loharanom-baovao dia mpamatsy basy ireo dahalo ity kolonely misotro ronono ity. Raha ny toerana ahitana azy hoy ihany ny loharanom-baovao dia Fianarantsoa sy Ambohimahasoa. Voalaza fa ity Kolonely ity no mpamatsy bala sy basy ny dahalo amin’ireo toerana ireo. Hatramin’ny basim-borona ka hatrany amin’ny basy Kalaky izay fampiasan’ny mpitandro filaminana ireny. Voalazan’ny loharanom-baovao koa fa izany dahalo antsoina hoe Livao izany no miara-miasa amin’ity kolonely ity, izay lehiben’ny dahalo. Andian-dahalo maromaro ao amin’ny faritra betsileo no voalaza fa mifandray amin’ity olona ity. Isan’ny mpitarika andian-dahalo ireo i Maha, sy Njara ary Marokely raha ny loharanom-baovao hatrany. Isan’ny dahalo niaraka tamin’ireto olona ireto izany atao hoe Rasaofera izany, izay efa maty tamin’ny taona lasa iny. Any amin’ny faritra Ikalamavony sy Ambatofinandrahana no misy ny toby famaharan’izy ireo. Efa toa ireny tafika ireny mihitsy ny dahalo miaraka amin’ireto olona ireto. Raha ny zava misy any an-toerana dia efa fiokoana amin’ny fanjakana mihitsy no ataon’ity kolonely misotro ronono ity sy ireo dahalo miaraka aminy ireo. Tsy mifidy izy ireo amin’ny fotoana angalarany na atoandro na alina, fa na omby iray na roa dia alainy avokoa.  Voalaza koa fa ao Ambohimahasoa ankehitriny no misy toerana fanondranana omby amin’ny fiarakodia vaventy miakatra aty Antananarivo. Ny omby aondrana amin’io toerana io dia maro no voalaza fa tsy madio. Azo lazaina fa toy ny tarika Remenabila tany amin’ny faritra Atsimo iny ny tarik’i Ra-kolonely ity.

J.B.

Commentaires   

0 #1 baleda rakotomalala 02-09-2016 14:48
Ny tanjon'ny FJKM,toy ny fivavahana kristiana izay misafidy izany dia tsotra/manaraka ny baikon'i Jesosy,sy miezaka manatratra ireo fitsipika sy torolalàna napetrany.
Tsy ny hitovy aminy no ibaikoany antsika,fa ny hanaraka azy,izany hoe IZY tsy maintsy eo aloha foana,ary isika Miaraka aminy.
Tsy mandeha irery isika amin'izany,ary tsy mamela ny Hafa hoTAVELA koa.Noho izany,dia tsy maintsy misy MPAIK'ady,hery,fahaizana,ary Finiavana hiarahana amin'ireo Heverin-tsaka fa MPIARA-Manompo...Mety hisy ny tsy fifankahazoan-kevitra indraindray,na fomba fijery tsy Mitvy.Kanefa AO KOA NY FIALONANA,ka Itadiavana TOMBONTSOA manokana eto antany ,ary anaovana ny FINOAN'ireoMpiara-manompo ho FITAOVANA.
Marina fa ilaina ny vola,ny laza.....kanefa,ny OLONDREHETRA rehefa mitsahatra eo amin'izay nisasarany izany OLONA izany,dia Tantara no sisa izay tsy voatery ho MARINA....Fa mety hanalana Fisainana sy Fomba fiainana.
Citer

Ajouter un Commentaire