Eklipsa: Betsaka ireo Malagasy hiidy aman-trano
Tafiditra ao anatin’ireo andro manan-tantara ho an’i Madagasikara ity androany ity noho ny fisian’ilay fifanakonan’ny volana sy ny masoandro na ny eklipsa. Raha ny fanadihadiana natao teto andrenivohitra dia betsaka amin’ireo mponina no misafidy ny hiidy aman-trano amin’ny fotoana hisian’izay eklipsa izay amin’ity anio ity. Eo aloha ny resaka finoana satria dia maro amin’ny Malagasy no mieritreritra fa tsy tokony ho jerena ny eklipsa ka ny vahaolana tsara indrindra dia ny mihidy aman-trano rehefa manomboka manakona ny masoandro ny volana. Ankaotra izay dia maro ihany koa ireo tsy mieritreritra mihitsy ny hividy ilay solomaso manokana noho ny alafony ka milaza ny hihidy aman-trano ihany koa mba tsy ho azon’ny fakam-panahy. Raha ny fanadihadiana natao ihany dia maro ny olona nisafidy ny tsy hiasa amin’ity androany ity noho ny maha andro miavaka azy amin’ireo andro rehetra. Betsaka amin’ireo mpivarotra no hilaza hanakatona ny tsena amin’ny fotoana tokony hisehoan’ity eklipsa ity. Etsy ankilan’izay dia hita ihany koa fa betsaka amin’ny Malagasy no tsy mahalala tsara ny momba ity fifanakonan’ny volana sy ny masoandro ity na ny momba ilay solomaso manokana noho ny tsy fahampian’ny fanentanana.
F.Tsihiavonana