Aza miana-kendry e !
T aorian’ny fihaonan-dRavalomanana tamin’ny solontenan’ny Vondrona Eraopeana teto ny talata teo, dia nohararaotin-dRavalomanana ny fanontanian’ny mpanao gazety azy momba ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena eto amin’izao fotoana.
Dia niana-kendry aoka izany Ingahy Ravalomanana nilaza fa « tokony hisy hatrany ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra ».
Toa tsy ao anatin’ny fisainany intsony fa fony izy filohampirenena ange ka nodakainy ambavafo ireo vahoaka nampiakatra azy teo amin’ny toerana maha-filohampirenena azy, ary izy no nanapaka voalohany ny fifampitokisana teo aminy sy ny vahoaka, tamin’ny alalan’ny fanamparam-pahefana sy ny jadona mbamin’ny ampihimamba ny tontolom-pandraharaha teto.
Dia nampanakoakoiny koa ny hoe « voalazan’ny fifanarahana politika izay noraketina tao anaty Tondrozotra fa « averina aminy avokoa ny fananany ».
Tsy nofaritany loatra moa izany fa avy hatrany dia ny tany iorenan’ny Magro eny Ankorondrano izay tanin’ny Antenimieran’ny varotra no niantefan’ny fanazavany. « Tsy hanaiky mihitsy aho raha tsy tafaverina amiko ny fananako », hoy izy. Dia nambarany koa fa « iny fifanarahana politika iny no mavesa-danja noho ny didim-pitsarana».
Toa odian-dRavalomanana tsy tsaroana fa tsy misy idiran’ny fifanarahana politika ny fakan’ny Antenimieran’ny varotra izay tompon’ny tany eny Ankorondrano ny tany eny, satria rafitra manana ny satany manokana fa tsy rafi-panjakana akory ny Antenimieran’ny varotra.
Ny heverin-dRavalomanana ho tsy takatry ny vahoaka koa dia ity. Ataon-dRavalomanana fitaovana ihany io tanin’ny Antenimieran’ny varotra lasan’ny Magro eny Ankorondrano io fa ny tena tanjony dia ny hanoneran’ny fanjakana ny sandan’ny orin’asany izay voaroba sy may tamin’ilay faha-26 janoary 2009.
Amin’ny lafiny iray aloha dia tsy tokony hohamaivaniny fa « ananan’ny fanjakana vola an’hetsiny tapitrisa ingahy Ravalomanana, dia ny hetra isan-karazany tsy noefainy fony izy filohampirenena. Fanamparam-pahefana no nataony tamin’izany ka tsy nandoavany ny hetram-panjakana.
Tadidio fa ny vokatr’izany tsy fandoavan-dRavalomanana ny hetram-panjakana izany ange ka ny vahoaka no voatery mameno ny banga e ! Ny tsy azo lalovam-potsiny koa dia diso tanteraka Ingahy Ravalomanana raha mitaky onitra amin’ny vahoaka malagasy amin’ny alalan’ny fanjakana, momba ny fandrobana sy fandoroana ny fananany ihany. Moa tsy izy ihany no nilaza imasom-bahoaka ny faha-27 janoary 2009 fa ny tenany no nanome baiko ny mpitandro ny filaminana tsy hihetsika tamin’ireny raharaha 26 janoary 2009 ireny ? Ary moa tsy maro ny olona nahita fa olon-dRavalomanana no nitarika sy namaky lay ny fandrobana ny tranom-barotra maro teto, ka voalohany tamin’izany ny Magro ? Satria nokaramainy ireny mpikarama an’ady ireny, mba handotoana ny hetsi-bahoaka tamin’ireny fotoana ireny. Dia izy indray no miana-kendry mitaky onitra.
Raha azo atao ny mampitaha dia ho diso ve izahay raha milaza fa ampahafirin’ny fahapotehan’ny fiainam-bahoaka vokatry ny nafitsok’Ingahy Ravalomanana nandritra ny fotoana nitantanany moa izany ? Ampahafirin’ny fahapotehan’ny firenena izay norobainy sy nitsikombakombany tamin’ny vahiny moa izany fahavoazany izany ? Isan’ny nivoitra tamin’iny resaka nifanaovan- dRavalomanana tamin’ny mpanao gazety iny koa ny fiandrandrany fahefam-panjakana, ka ny Sadc no heveriny fa hanandratra azy ho amin’izany. Noporofoiny tamin’io talata teo io fa « miankin-doha hatrany amin’ny fianakaviambe iraisampirernena » izy, nefa ireo no fototry ny fanakorontanana teto tamin’ny 2009 sy ny taty aoriana, noho ny tsy fahazakan-dry zareo izany fiombonam-po sy fivondronan-kerin’ny vahoaka hiroso amin’ny fiovana sy fanarenana ifotony izany.
Ralay