Lalan’ny Digue : Tsy misy fiafarany ny halatra « panneaux solaires »
Miha-maizina isan’andro ny lalan’ny digue miala eny Ampasika hatrany Anosizato amin’izao fotoana izao noho ny halatra « panneaux solaires » na ireo fitaovana manazava amin’ny alina mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Teo aloha teo, na herinandro vitsivitsy lasa izay dia ireo fitaovana teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, mampitohy an’Ampitatafika sy Fenoarivo no tena lasibatry ny mpangalatra fa tato anatin’ny andro vitsy kosa izay dia ireo mipetraka amin’ny lalan’ny Digue miainga eo Ampasika hatrany Anosizato no manjavona tsikelikely. Marihana moa fa ilay fitaovana mitahiry ny angovo avy amin’ny masoandro sy ny jiro no alain’ireo jiolahy.
Raha ny hita eny an-toerana dia efa mila hitovy amin’ny isan’ireo panneaux solaires mbola mandeha ny isan’ireo nangalarina. Tsy vao izao moa no misy mandroba tahaka izao ireto fitaovana manazava amin’ny alina ireto fa volana vitsy taorian’ny nametrahana azy dia efa nisy sahady ireo nanana eritreritra ratsy ka nangalatra ny sasany tamin’ireto fitaovana ireto.
Nisy ny andraikitra noraisin’ny mpitandro ny filaminana tamin’izany fotoana izany ka somary nitsahatra ny halatra.
Ankehitriny rehefa nahita ireo jiolahy fa gaboraraka indray ny fanaraha-maso ataon’ny fokontany sy ny mpitandro ny filaminana dia nirongatra indray ny halatra.
Taorianan’ny fandrobana niseho teny Ampitatafika dia tokony nisy avy hatrany ny andraikitra noraisina kanefa tsy nisy izany ka izao mitohy eny amin’ny lalan’ny Digue izao indray.
F.Tsihiavonana
LEG : Ho ripaka daholo ireo « panneaux solaires » eny amin’ny Digue raha tsy misy ny fandraisana andraikitra.