Iavoloha: Inona no nivorian’ireo andrim-panjakana telo?
Tamin’ny talata faha 30 aogositra 2016 lasa teo dia voalaza ny loharanom-baovao fa nivory teny amin’ny lapam-panjakana teny Iavoloha ireo filohan’ny andrim-panjakana eto Madagasikara. Nahitana an’ingahy Hery Rajaonarimampianina izay filoham-pirenena, Honoré Rakotomanana filohan’ny antenimierandoholona, Eric Rakotoarisoa filohan’ny HCC na ny fahefana avo momba ny lalàm-panorenana.
Tsy nisy nipika ny resaka tamin’izany saingy mazava hoazy fa tsy maintsy ny raharaham-pirenena izay misedra olana ity no nodinihina tamin’izany. Tamin’ny herinandro ity dia nanao fanambarana ny solotenan’ny vondrona afrikanina miasa eto Madagasikara, dia ramatoa Ahmed Youssouf, ka nanambara fa tsy eken’ny komity iraisam-pirenena ny fanonganam-panjakana. Midika izany fa misy ny famakian’ny komity iraisam-pirenena ny zavamisy eto Madagasikara fa mirona any amin’ny fanonganam-panjakana ny raharaha. Ny vahoaka koa ankilany dia milaza fa tsy ekena koa ny fanjakana tsy nahatontosa ny fanamby nataony. Ny mpanohitra koa miha maro hatrany ary maro no tsy faly amin’ny ataon’ny fitondrana ankehitriny amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ary ny fanondranana ny harena voajanahary tsy fahita firy raha tsy eto Madagasikara. Ny sinoa moa no tena lasibatra mafy amin’ny firaisana amin’ny fanjakana amin’izany raharaha izany.
Ny hetsika ataon’ny AFP (antso hoan’ny fanavotam-pirenena) sy ny DFP (Dinika hoan’ny fanavotam-pirenena) ary ny Mitsangàna ry malagasy dia mitory ny tsy fahavitan’ny fanjakana intsony ny fitantanana ny firenena, ka dradradradrainy amin’ny filazana matetika ny fahatrana mihoa-pampana mahazo ny 98% ny Malagasy ankehitriny. Ny fanambarana nataon’ny eveka dia efa in-telo izao no nanambara tamin’ity taona 2016 ity fa tsy mahomby ny mpitondra ankehitriny satria tsy mahavoavaha ny olana mianjady amin’ny vahoaka. Efa atao toriteny any am-piangonana ny mahakasika izany amin’izao fotoana izao.
Ny mbola tsy itovian’ny fomba fijery hoan’ireo fikambanana ireo satria misy ny milaza fa fifidianana alohan’ny fotoana no hatao, misy ny mivoy ny dinika an-databatra boribory, ary misy aza no milaza fa tokony hametraka fialana ny fitondrana tarihin’ingahy Hery Rajaonarimampianina io.
Mbola olana tsy vita koa hatramin’izao ny raharaha mahakasika ny asa fanaovan-gazety sy ny fahalalahana. Na dia efa misy aza ny fandaniana nataon’ny depiote 18 tamin’ny depiote 151 ao amin’ny antenimierampirena, ary koa ny faneken’ny HCC ny fanarahana ny lalàm-panorenana makasika iny raharaha iny na dia nasiany fanakianana maro izany lalàna izany dia mbola tsy mitsahatra ny fitakiana ataon’ny olona fa indrindra ny mpanao gazety amin’ny famerenana ny fandinihana azy ity. Amin’ity herinandro ity dia mbola hisy koa ny fanangonana sonia hataon’ny vahoaka Malagasy izay tsy makasitraka ny lalàna momba ny serasera iny.
Santionany amin’ny raharaha eto amin’ny firenena ireo, ankoatran’ny raharaha silamo izay novakian’ny fanjakana roa koa toa ny fikambanana maro tsotra sy politika.
Inoana fa izany rehetra izany no tsy maintsy nanaovana izao fivoriana izao? Ny fivoriana toa ireny dia tokony hampahalalana ny vahoaka satria lehibe loatra ny fivorian’ny filohan’ny andrim-panjakana toa izao.
Mbola isan’ny voalazan’ny lalàm-panorenana ny mahakasika ny fahalalana vaovao, fa indrindra ny vaovao eo amin’ny fanjakana toa izao.
Nangonin’i Jesy Rabelaolao
Commentaires
Misy zavatra maimbo ao
S’abonner au flux RSS pour les commentaires de cet article.