Maromandia Analalava: Fanorenana fiangonana FJKM miteraka disadisa
Manao antso avo amin’ny foiben’ny FJKM (Fiangonan’ny Jesosy Kristy eto Madagasikara) sy ny ministeran’ny kolotsaina sy ny vakoka ary ny asa-tanana ireo mponina Sakalava ao Maromandia Analalava. Ny antony dia misy amin’izao fotoana izao ny fikasana hanorina trano fiangonana FJKM eo amin’ny toerana misy ny doany Antsakoamamy, izay fanaovan’ny olona fomban-drazana ary fangataham-pitahiana araka ny fomba Sakalava. Mazava hoazy fa tsy ankasitrahan’ireo mponina izay mandala izany fomban-drazana izany ny fanorenana ity fiangonana ity izay ambaran’izy ireo fa sady tsy manaja ny finoan’ny hafa no manimbazimba ihany koa ny fomban’izy ireo. Mahatsiaro tena ho atao tsinotsinona ireo Sakalava ao an-toerana ary mangataka ireo tompon’andraikitra ambony ao amin’ny FJKM sy ireo tompon’andraiki-panjakana voakasika amin’izany mba hijery akaiky ity raharaha iray mampifanolana ny kristianina sy ny mpandala ny fomban-drazana ao Maromandia Analalava ity. Marihana fa saro-pady ary toerana masina ho an’ny Malagasy, indrindra fa hoan’ireo mandala ny finoana malagasy fahiny ny doany ka ny tranga toy izao dia mety hitarika any amin’ny fifandonana eo amin’ny andaniny sy ny ankilany ary mety ho sarotra ny hamerina izany amin’ny laoniny. Mba hisian’ny fiarahamonina mirindra araka ny tokony ho izy ary ao anatin’ny fandriampahalemana tanteraka dia tokony ahay hanaja ny finoana sy ny fombafomban’ny hafa ny tsirairay fa tsy sanatria handeha hifanenjika na hifanimbazimba.
F.T.