Politika: Hiara-dia ireo fikambanana sy vondron-kery mitaky ny fanarenana ifotony
Tsy mbola vita ny tolona nanoloran’ny Malagasy ny ainy ho fanavotana ny firenena izay lasan’ny mpanjana-tany an-keriny tamin’ny 1896. Nandritra ny 120 taona no niatrehan’ny Malagasy izany tolom-panafaham-pirenena izany, ary mbola mitohy hatramin’izao.
Maromaro tato ho ato ireo karazana hetsika sy fanehoan-kevitra izay samy nanambara ny fihomboan’ny fahapotehan’ny firenena noho ny afitsoky ny mpitondra fanjakana amin’izao fotoana. Na teo tokoa aza mantsy ny takaitra sy fahavoazana navelan’ny mpitondra nifandimby teto hatrizay, dia vao mainka nanampy trotraka an’izany ny fitondrana Rajaonarimampianina, ka tsy vitan’ny hoe “tsy afaka nanavo-drevo sy nanomboka nanaisotra ny firenena ao anatin’ny lavaka nandetehan’ny sasany azy”, fa vao mainka nanara-davahana sy nampitombo ary nanamafy ny tsy fahombiazan’ny teo aloha rehetra, ny fanamparam-pahefana nataon’ny teo aloha rehetra, ny gaboraraka nampanjakain’ny teo aloha rehetra, ny tsikombakomba maloto hatrizay, indrindra fa ny firaisana petsapetsa tamin’ny vahiny ka nanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, …. dia mbola nampian’ny fitondrana ankehitriny ihany koa.
Tofoka amin’izany ny vahoaka Malagasy ary vonona ny hanavo-drevo. Taratr’izany ny fisian’ireo sokajin-kery amam-pikambanaa mihetsika etsy sy eroa, maneho hevitra, manakiana ny tsy mety, mitsikera ny fihoaram-pefin’ny mpitondra, mampiseho ho fanta-bahoaka ny tsy mety ataon-dry zalahy mpitondra mbamin’ny fanamparam-pahefana sy ny fampihorohoroana amin’ireo olom-pirenena amam-pikambanana maro, ianjadian’ny fahantrana lalina, sy ny sisa…
Fantatra àry fa nifanatona dia nifandresy lahatra ary tapa-kevitra ny hamondrona ny heriny ireo fikambanana sy fiarahana isan-tokony ireo.
Amin’ity anio ity no hiatrika ny mpanao gazety voalohany etsy amin’ny Motel Anosy ny vondromben’ny hetsika amam-pikambanana hiroso amin’ny tena fanovana ary hampahomby ny tena fanarenana ifotony.