Kolikoly avo lenta: Tao anatin’ny fitondrana nifandimby i Claudine Razaimamonjy

Iray amin’ireo vehivavy isan’ny manao ny andro ho tsara sy andro ho ratsy ao an-dapa ao Rtoa Razaimamonjy Claudine. Nalaza tamin’izao fitondrana Rajaonarimampianina izao izany anarana izany. Raha ny marina dia tsy tamin’izao fitondrana Hvm izao no tena  nilalaovany ny tompon’andraikipanjakana fa efa hatramin’ny fitondrana Ratsiraka tany amin’ny 1997 tany.

Mpanao afera, mahazo ny tsenan’asam-panjakana (marché public) amin’ireo fanaovana fotodrafitrasa isan-karazany, ary na ny fiantohana asa tolotra (service) no ahenoana mandrakariva ny anarany. Nisy hatrany ny fotoana nahazoany tombon-dahiny satria misy hatrany ny “kopaka nisasahany” tamin’ny tompon’andraiki-panjakana.

Tsaroana voalohany indrindra tamin’izy ireny ilay lanonana nanasan’ny filohampirenena olo-manan-kaja maro tamin’ny fetim-pirenena taona 2014. Nidangana izay tsy izy ny sora-bola tao anaty faktiora notakiana tamin’ny fanjakana. Ohatra iray: Rano fisotro (eau vive) 1, 5 litatra, izay fividy 1.500 ariary no nosoratany tao anaty faktiora fa 20.000 ariary ny iray. Dia alaivo sary an-tsaina amin’izany ny zavatra rehetra.

Trano eva na “chapiteau” izay tokony ho 100.000 ariary ny hofany, raha tsy maintsy nofaina, nefa nampanofainy ny fanjakana hatramin’ny 30 tapitrisa ny iray. Loza ange izany rey vahoaka e !

Fa ny tsy fantatry ny maro dia tsy vao tamin’ity fitondrana Rajaonarimampianina ity izy io no nilalao ny mpitondra fanjakana teto.

Zava-bita tamin’ny taona 2000

Tamin’ny fotoana nitondran-dRatsiraka, ohatra, ny taona 2000, dia nisy tetik’asa iray nahazoany ny tsena tamin’ny fanjakana. Tsy inona io fa ilay fotodrafitrasa nahabe resaka tao amin’ny kaominin’ Ambohimaha-masina any amin’ny distrikan’Ambalavao Fianarantsoa.

Ireo nambara fa fotodrafitrasa nandaniana ny vola niteraka resabe teto, dia ilay 396 tapitrisa ariary, dia famitaham-bahoaka fotsiny fa tamin’ny taona 2000 no efa vita ireo fotodrafitrasa ireo, dia ny biraon’ny kaomina izany, miampy efitrano malalaka, ary ny ambany rihina dia natao ho toeram-piasan’ny tonian’ny raharaham-pampianarana (Chef Zap). Tamin’ny taona 2001 no nitokanana azy io, ka tonga tany an-toerana, nitokana azy tamin’

izany ny Praiminisitra Tantely Andrianarivo, niaraka tamin’ny mpikambana telo (ministra) tao amin’ny governemantany sy ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena tamin’izany fotoana, izay lany teny Ambohidratrimo. Tonga tany hatramin’ny tale jeneralin’ny tahirim-bolam-panjakana tamin’izany fotoana, dia Rtoa Vonintsalama.

Raha ny fanombanana an’ity biraon’ny kaomina Ambohimahamasina ity, dia izy no lehibe indrindra tany amin’iny faritra iny, ary tsy volam-panjakana avy amin’ny governemanta foibe mihitsy no nenti-nanana azy io fa latsakemboka sy tsipaipaika avy amin’ny fokonolona, niampy ny anjara-vola tamin’ilay fanampiana ny distrika nitentina 302 tapitrisa iamg tamin’izany, ka teo amin’ny 10 tapitrisa teo no nalaina tamin’io 302 Tapitrisa io, nanampiana ny vokatry ny ezaky ny fokonolona.

Izany hoe fotodrafitrasa vitan’ny fokonolona madiodio tamin’ny herin’ny tenany sy ampahany kely avy amin’ilay tahirim-bola ho fampandrosoana ifotony (Cld) izy io.

Lainga marivo tototra izany no nilazana tamin’izao fitondrana Rajaonarimampianina izao fa hoe “vita tamin’ilay vola 396 tapitrisa ariary niteraka resa-be tato ho ato izy io.

Tsy nisy biraon’ny kaomina narodana hatrany ifotony izany koa tamin’ity satria izany no aelin’ny fitondrana Hvm rehefa tra-tehaka ny fanodinkodinam-bolam-panjakana tamin’izy io.

Raha tsaroantsika ange ka tsy biraon’ny kaomina koa no voalaza fa hotanterahina tany ka nahazoana an’io volabe 396 tapitrisa ariary io avy amin’ny fitondrana foibe fa “trano fiahiana ara-pahasalamana” (Bureau municipal d’Hygiène = BMH) e !

Nisy koa ny vitany saingy….

Nisy kopaka nisasahany hatrany tamin’ny tompon’andraiki-panjakana ambony teto amin’ny tany sy ny firenena ny raharaha sy asa nataony hatramin’izay.

Raha ireo mpisafo raharaham-panjakana ambony niisa telo (inspecteurs généraux de l’Etat) nanao fanaraha-maso ny fisafoana ny fitantanam-bolam-panjakana tany amin’iny faritr’i Mahatsiatra Ambony iny no resahina, ary isan’izany ny fahitana fototra an’ity fotodrafitrasa “matoatoa” namoaham-bola 396 tapitrisa ariary tany Ambohimahamasina ity, dia ho gaga isika raha mandre fa nisy tamin’ireo asa natao tokoa no fananganana fotodrafitrasa vaovao. Ny kaomina niavian’i Claudine Razaimamonjy, ohatra, dia maro ny fananganana vaovao tao, ary niliba koa izy tamin’ny fotoanan’ny tetezamita teo, hoy ny loharanom-baovao, ka ny sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny Tetezamita, sy i Virapin Ramamonjisoa no isan’ny mpifandray tendro taminy tao.

Isan’ny fotodrafitrasa nahazoan’i Claudine Razaimamonjy ny tsenan’asam-panjakana (marché public) tamin’ny tetezamita ny fananganana an’ireo kianja fanaovana fanatanjahantena maro (terrain omnisport). Volabe no nokirakiraina sy notavanina tamin’izany.

Re koa fa efa tany amin’ny taona 1997 tany, fony fitondrana Ratsiraka izy io, no efa nanomboka nahazo vahana satria nahay nilalao tsikombakomba tany ambony tany izy.

Tamin’ny hetsi-bahoaka 2002 izy dia nafana fo aoka izany nanohitra ny tolona mba hiarovany ny fihinanany tao amin’ny fitondrana Ratsiraka.

Tsy tokony hadinoina fa efa nosamborin’ny fitondrana Ravalomanana i Claudine Razaimamonjy tamin’izany, satria hoe nanohitra ny tolom-bahoaka ary nisy raharaha maloto nahavoarohirohy azy koa. Nalefa teto Antananarivo izy tamin’izany, ary niezaka nitady lalana hahatafiditra azy tany avara-patan’ny lapa tany, ka nahazo vahana.

Sehatra nahazoany nilalao koa ny fanabeazam-pirenena

Fa fony minisitry ny fanabeazam-pirenena tamin’ny tetezamita koa i Jean Jacques Rabenirina, dia nahazo avara-patana tao i Claudine Razaimamonjy. Saika nomena azy tao anatin’ny toe-tsaina “takalom-patsa vidim-pihinanana” avokoa  ny tsenan’

asam-panjakana (marché public) tamin’ireo fananganana na fikojakojana trano sekoly teto ireny. An-jatony izany fa tsy telo aman’efatra, hoy ny loharanom-baovao.

Nisy fahatsiarovan-tena anefa teo anivon’ny rafi-panjakana misahana ny fitsinjarana an’ireny tsenan’asam-panjakana ireny (Aprm) ka nofoanan’io rafi-panjakana io ny asa azon-dRazaimamonjy Claudine, ankoatra ireo efa vita.

Isan’ny nahazo ny anjara tampi-masony tamin’izany rehertra izany koa ilay solombava Hvm, miseho ho mafana fo amin’ny fiarovana ny ratsy vitan‘izao fitondrana izao, tamin’izany fotoana, dia i Milavonjy, izay voafidy tany Ambovombe Androy.

Ajouter un Commentaire