Fanoherana ny fitondrana HVM: Tafatsangana ny vovonana MMF

Nampahafantarina tetsy amin’ny Motel Anosy omaly ny fitsanganan’ny vovonana MMF na ny Malagasy Mivondrona ho amin’ny Fanorenana. Vovonana izay hivondronan’ireo hery politika rehetra izay mitaky ny hisian’ny fanorenena ifotony mba ahafahana manarina ny firenena ao anatin’izao fahasahiranana lalina izao. Amin’ny ankapobeany  dia ireo hetsika , fikambanana, ary vovonana politika nijoro manohitra ny fitondrana misy ankehitriny no mandrafitra ny MMF amin’izao fitsanganany izao, tsy iza izany fa ny Mitsangàna ry Malagasy, ny DFP (Dinika ho an’ny fanavotam-pirenena,),  ny APRN izay tarian’i Pety Rakotoniaina, ny RMTF (Rodoben’ny Malagasy Tia Tanindrazana ho amin’ny Fanorenana Ifotony), ny ACS (Fikambanan’ireo CST teo aloha), ny GPPO (Vondron’ireo antoko politika mpanohitra) ary ny fikambanana Vono Soamahamanina. Teo aloha teo dia samy nandeha irery ireto vovonana sy hetsika politika avy amin’ny fanoherana ireto na mitovy aza ny tanjona kendrena dia ny fanorenana ny firenena hatrany ifotony ary ny fanavotana ny vahoaka Malagasy 22 tapitrisa. Ankehitriny kosa, satria ady sarotra sy masina  ny tolona  atao dia nanapa-kevitra ny hampivondrona ny hery ireto fikambanana sy hetsika politika rehetra voalaza tetsy ambony ireto ka nanangana ny MMF (Malagasy Mivondrona ho amin’ny fanorenana). Araka ny fanazavana nomen’i Maharavo Ratolojanahary, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Doudou, izay nandrindra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’izy ireo omaly, dia efa tao anatin’ny herinandro teo izy ireo no niara nivory saika isan’andro, ary niara niaiky ny rehetra fa tsy ho tratra ny tanjona amin’ny fanarenana ny firenena raha tsy misy ny fanambarana ny hery. Tanjon’ny vovonana MMF ny hampitsahatra farany izay haingana  ny rafi-pitantanana sy ny endri-pitondrana misy ankehitriny,  izay hiarahan’ny rehetra mahita fa tsy mitondra fampandrosoana ho an’ny firenena fa vao maika aza mampihemotra antsika Malagasy. Mba ahafahana mametraka rafitra tena ilain’ny firenena, dia ilaina ny fifampidinihana eo amin’ireo hery velona rehetra mitaky fanarenana sy ny fanorenana miainga eny ifotony, hoy ihany i Maharavo Ratolojanahary.

Ny praiminisitra teo aloha Omert Beriziky raha nandray fitenena dia niantso ny fikambanana politika rehetra eto Madagasikara izay mitovy hevitra amin’izy ireo mba hanatevin-daharana ny MMF. Ny filoha mpitarika ny APRN, Pety Rakotoniaina kosa dia nilaza fa tsy hihemotra na oviana na ho oviana ny tolona atao fa tsy maintsy miroso hatramin’ny farany ny MMF. Rehefa tafalatsaka lalina toy izao ny firenena dia miparitaka sy manjaka eo anivon’ny fiarahamonina ny hevitra kitoatoa kanefa ny tokony ho fantatry ny vahoaka Malagasy rehetra dia mila fanovàna goavana ny firenena. Ny ben-tanàna an’i Fianarantsoa teo aloha izay manao antso avo manokana  amin’ny foloalindahy mba tena hijoro ho an’ny tanindrazana araka ny teny filamatra ary hiray feo amin’ny MMF. Marihana fa eto Antananarivo no nitsangana tamin’ny fomba ofisialy ny Malagasy Mivondrona ho amin’ny Fanorenana fa antsoina kosa ny rehetra mba hanangana ny rantsan’ny MMF manerana ny renivohi-paritra sy ny distrika rehetra manerana ny Nosy. Nanamafy moa ireo mpandrindra ity vovonana politika vaovao ity ary manome toky amin’ny vahoaka Malagasy fa ny MMF dia mijoro mitarika vahoaka fa tsy miafina ao ambadiky ny vahoaka. Na izany aza dia mila mandray andraikitra ny olom-pirenena rehetra manoloana izao fahapotehan’ny firenena izao satria tsy misy eto ambon’ity  tany ity firenena mandroso raha tsy misy ny fandraisana andraikitra avy amin’ny vahoaka. Entitra ingahy Maharavo Ratolojanahary raha nilaza fa nanomboka tamin’io andron’ny omaly io dia ho mafy kokoa ny fanoherana miandry ny fitondrana ankehitriny. Tsara ny manamarika ny fijoron’ity vovonana Malagasy Mivondrona ho amin’ny fanorenana ity dia tsy manafoana ny fisian’ireo vovonana na hetsika politika efa nisy teo aloha.

F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire