Fitondrana Hvm: Manao pi-maso amin’ny mpanohitra
Mamelatra fandrika hampizarazarana ny herim-bahoaka mikatsaka ny tena fiovana sy ny tarigetra ho amin’ny tena fanarenana ifotony ny fitondram-panjakana Hvm. Maro ny olom-pirenena no velom-bolo rehefa nahita ny fahavitrihan’ny sehatra isan-tokony mihetsiketsika etsy sy eroa, maneho ny tsy fahazakany intsony ny akon’ny famotehana firenena ataon’ny fitondrana sy ny fanamafisan’izy ireo ny fampanjakana ny fahalovana isan-karazany. Amin’ny alalan’ireny hetsika etsy sy eroa ireny no itetehan’ny fitondrana Hvm hamotehana izany fahavitrihan’ny olom-pirenena hanavotra ny fireneny izany.
Mety hilaza angamba ianao mpamaky hoe “fa inona koa no ifandraisan’izany ?”
Tena misy ifandraisany tokoa satria tao ho ao dia ninian’ny sasany novoizina ny hoe “hisy fanovana ny firafitry ny mpikambana ao amin’ny governemanta, ka mety hisy minisitra “hisaorana”. Nohararaotina ny fahabangan’ny toeran’ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo taorian’ny nahafatesan’ny minisitra Ramanantsoa Rodolphe, dia novoizina io hoe “hisy fanovana io”. Ny tena tanjon’ny fitondrana dia ny hisarika ireo olona sasany marivo salosana any amin’ny fanoherana mba ho sodokan’ny ho fanitsiana na fanamboarana,
Tsy ny fidirana ao anaty fitondrana akory no olana fa ny fahazoana toerana hanohizana ny zavatra efa tsy mandeha ka nokianina sy ny fanamafisana ny gaboraraka ataon’ny mpitondra amin’ny ankapobeny, izay hiteraka fahakiviana ho an’ny maro izay resy lahatra hiroso amin’ny tena fanovana sy ny fanorenana ifotony.
Mpitranga koa anefa izany satria ny alika jamban’ny taolana, hoy ny fitenenana, fa ny olombelona dia jamban’ny tombontsoa manokana sy ny vola. Na izany na tsy izany, tsy hahasakana ny vahoaka tsy hijoro hanavotra ny fireneny izay nalentiky ny Hvm ao anaty hantsan’ ny fahantrana izany.