Grande Braderie: Mbola niady varotra ny mpividy

Nifarana omaly tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahan-tena sy ny kolontsaina Mahamasina ny andiany faharoa Grande Braderie tamin’ity taona ity, izay nokarakarain’ny Madavision. Marobe ny mpitsidika nandritra ny hetsika tao anatin’ny dimy andro. Anisany nampiavaka ity andiany faharoa ny “grande braderie” ity ny loha-hevitra nampitondrain’ny mpikarakara ny hetsika, izay niompana tamin’ny “Special rentrée”. Hita taratra tamin’ity andiany faharoa ity fa mafibe tamin’ny raiamandreny hampiana-janaka ny fampidirana mpianatra. Na dia efa nametraka fihenam-bidy manodidina ny 15 isan-jato ho an’ny mpandray anjara aza ny mpikarakara ny hetsika dia mbola marobe tamin’ireo ray amandreny no mbola miady varotra amin’ireo kojakoja ilainy amin’ny fampidirana mpianatra. Tratra ny tanjona fa afa-po ny mpandray anjara sy ny mpanjifa, ary hitan’ireto farany tokoa fa mora ny vidin’entana teny an-toerana nandritra ny hetsika, araka ny resaka nifanaovana tamin’ny tompon’andraikitry ny orinasa Madavision mpikarakara, Hery Andrianasolo. 

Niavaka tamin’ity andiany faharoa ity ihany koa ny fandraisana anjara teo amin’ny orinasa “Master Immobilier”, izay nanome tolotra ireo mpitsidika amin’ny fividianana tany ka azo aloa tsikelikely ny vidiny raha toa ka tapa-kevitra ny hividy izany. Raha tsiahivina dia nahatratra 250 ny mpandray anjara ary 300 ny isan’ny tranoeva (stand) nandritra ity hetsika ity.

Ho tanterahina ny volana desambra izao indray eny amin’ny lapan’ny fanatanjahan-tena sy kolontsaina Mahamasina ihany ny hetsika manaraka, izay miompana tanteraka amin’ny fetin’ny Noely sy fandraisana ny taona vaovao 2017.

Alain Michel

Comments are now closed for this entry