Vahoakan’Antananarivo: Tetehin-dRavalomanana hiantoka ny harenany indray

Tsy miova mihitsy Ingahy Ravalomananana. Izany no azo ambara  amin’ny tetika maloto ketrehiny hatao eto Antananarivo amin’izao fotoana.

Namory tompon’andraikitra maromaro eo anivon’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo mantsy Ingahy Ravalomanana Marc, tsy ela akory izay. Izy moa dia mihevi-tena ho ben’ny tanàna eto mihitsy.

Ny isan’ny nambarany tamin’izany dia fampiomanana ny tompon’andraikitra isany fa hoe “hisintaka amin’ny fandraharahana ny hetra mifanandrify amin’ny fahefana nomen’ny lalàna ny Kaomina ny kaominan’Antananarivo fa hampisahanina sehatra tsy miankina (privatisation) izany raharahan-ketra eto Antananarivo izany.”

Fa inona mihitsy no tena  ao an-tsain’Ingahy Ravalomanana Marc e ? Nahoana raha ny toeran’ny Ben’ny tanàna vadiny aloha no omeny ny sehatra tsy miankina (à privatiser) dia ho hita eo ny fahavitrihany ho amin’izany !

Tsarovy fa ny famorian-ketra, tompoko, dia raharaha madiodion’ny fanjakana, ary lalàna avy amin’ny parlemanta no manome alalana ny tompon’andraiki-panjakana (isan’izany ny mpitantana kaomina) hamory hetra, toy ny lalàna manome alalana ny tompon’andraikitra hamoaka vola ao amin’ny kitapom-panjakana.

Tetika maloton-dRavalomanana hangoronan-karena indray io e ! Tsaroantsika mpamaky ve fa raha lany ho ben’ny tanànan’Antananarivo teto izy tamin’ny taona 2000 dia nampanao “fitia tsy mba hetra” hoenti-manadio an’Antananarivo tamin’ny alalan’ny antsoina hoe “Far” (Fanadiovana an’Antananarivo Renivohitra) ? Maro ny mponin’Antananarivo no nihetsika nandrotsaka sy nandray anjara, ka rehefa  tonga teto ireo fitaovana avy amin’ny fitondram-panjakana Alema (fiarabe mpitatitra fako, dabavy be fanariam-pako…) dia nakan-dRavalomanana vola mitentina 600 Tapitrisa fmg tao amin’io vola hanadiovana an’Antananarivo nanaovan’ny vahoaka teto “fitia tsy mba hetra io”?

Dia nambarany fa nandoavana haba (taxe), hono.

Ny faha-11 aogositra 2000 dia nanontaniana mivantana ny Sekretera Jeneralin’ny lefitry ny Primatiora nisahana ny teti-bolam-panjakana, izay miahy mivantana ny resaka fampidirana entana avy any ivelany ka itataovan-kaba, Ingahy Rafidinarivo Jocelyn. Tamin’io andro io dia nivantana ny tenin-dRafidinarivo Jocelyn teny Ambohimangakely fa “ny entana ho an’ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, na inona na inona nafarana avy any ivelany na fanomezana avy any ivelany, dia tsy ampandoavina haba na fadin-tseranana izany”.

Ny tolakandron’io faha-11 aogositra 2000 io ihany dia ny tenanay manoratra ity lahatsoratra ity mihitsy no nanontany mivantana ny Ben’ny tanàna, Ravalomanana hoe “inona marina no nampiasana an’ilay 600 Tapitrisa fmg avy amin’ny “FAR” fa nilaza ny sekretera jeneralin’ny lefitry ny primatiora misahana ny teti-bolam-panjakana fa tsy itataovan-kaba ny fampidirana fitaovana ho an’ny vondrom-

bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana toy ny kaomina” ? Dia nivadika indray ny tenin-dRavalomanana teo hoe “frais”. Dia nanontaniana indray izy hoe “frais” inona? Dia novaliany hoe “Frais” e ! “Frais dia “frais”. Valin-teny boraingina.

Nitodika ivoho moa izy avy eo ka nomeny lamosina izahay mpanao gazety dia nanaovany esoeson-teny hoe “izay ihany no anavana an-dry zareo mpanao gazety ireo”. Dia niverenanay hoe “ahoana tsara hoe izany resakao izany Atoa Ben’ny tanàna ?” Dia tsikitsiky hafahafa fotsiny no nataony.

Tamin’io fotoana io, tsaroanay tsara, fa vao avy nampaniry ny ahi-maintso tao an-damosin’ny lapan’Ambohitsorohitra ny teknisiana momba izany, izay nambaran-dRavalomanaa fa “bozaka nafarana avy atsy Afrika Atsimo ireo, ary ireo afrikana tatsimo hafa kosa manamboatra ny tao anatin’ny lapan’Ambohitsorohitra fa hoe ho toeram-piasany amin’ny maha-ben’ny tanàna azy.

Ka ny tian-kahatongavan amin’ity resaka hoe “homena hosahanin’ny sehatra tsy miankina ity ny fandraharahana ny hetra eto Antananarivo Renivohitra dia tsotra.

Voalohany dia iarahantsika mahita io ny afitsok’ilay orin’asa tsy miankina misahana ny fitantanana ny toeram-piantsonan’ny fiarakodia eto Antananarivo (parking), dia ny “Easy Park” izany. Kinga aoka izany ry zalahy manasazy an’izay nanao fahadisoana, nefa vola varifitoventy no mba arotsak’izy io ao amin’ny kitapon’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo.

Ka raha orin’asa tsy miankina no hampisahanina an’izany fandraharahana ny hetra eto izany dia azo antoka aloha fa tsy homen-dry Ravalomanana hosahanin’orin’asa tsy miankina hafa izany io fa ny orin’asan-dry zareo no hitantana an’io. Heverina fa ho tsaroantsika ny nananganan-dry Ravalomanana ny orin’asa “Alma” teto izay nanao ampihimamba ny raharaha momba ny fanaovan-dalana teto. Ireo orin’asa goavana nahazatra mpanao lalàna fanta-daza teto aza nifampiraharaha (sous traitance) tamin’ny Alma rehefa fanaovan-dalana teto. Dia azontsika sary an-tsaina amin’izany koa ny fidangan’ny sora-bola tao anatin’ny faktiora fa mihoa-pampana mba hanaporofoana ny fivoahan’ny vola ao amin’ny kitapombolan’ny fanjakana na kitapombolan’ny kaomina. Kolikolty avo lenta toy ny tsikombakomban’ny fitondrana Rajaonarimampianina amin-dRazaimamonjy Claudine hafa endrika indray e !

Ohatra iray mitohoka amin’ny tenda ny nanamboarana tamin’izany fotoana ny ampahan-dalana eo anloloan’ny kolejy Saint Michel etsy Anosy (lalana Mohamed V).

Etsy ankilany, tsaroantsika  tsara koa ny tontolon’ny nananganana ny Samva tamin’ny fotoana naha-ben’ny Tanàna teto an’Ingahy Razanamasy. Olona akaiky ny ben’ny tanàna sy ny zanany no nisahana azy io tamin’izany. Saika voaroaka tamin’ny asany avokoa ireo mpiasan’ny kaomina ampolon-taonany maro, ary izay nazoto nifampiraharaha tamin’ny Samva dia tafiditra tany saingy lasa toy ny vao manomboka miasa koa, na resaka fiahiana ara-tsosialy (cnaps) na ny zavatra hafa rehetra.

Ny volan’ny Kaomina izay tokony hisahanana ny fanadiovana sy fikojakojana teto dia ny Samva no nitantana azy. Dia hitantsika ny tohiny teto.

Ny tian-kambara dia tsy maintsy horoahin’ny tompon’andraikitry ny kaomina amin’izao fotoana avokoa ireo mpiasa maro be misahana ity fandraharahana ny hetra ao amin’ny kaomina ity amin’izay fotoana fa ilay orin’asa tsy miankina hisahana ny raharaha indray no mandidy manapaka ny tohiny avy eo.

Manaitra manokana anareo ao amin’ny filankevitry ny tanàna izahay amin’izao raharaha izao, ary manentana anareo mpanolotsainan’ny tanàna hamory ny vahoakan’Antananarivo mba hanoherana dieny izao izany petra-kevitra maloto kasain-dRavalomanana hatao izany. Tsy Ravalomanana Marc rahateo no nofidian’ny mponina teto ka tsy manana zo na fahefana ho amin’izany izy.

Ny mampalahelo dia misy no manome rariny avy hatrany azy amin’izany.

Ho anay dia tsotra ny resaka. Aoka hisy ny fanentanana ny vahoaka hahatsiaro ny adidiny eto, nefa ampibaribario amin’ny vahoaka koa ny nampiasana an’ireny hetra naloany ireny fa lasa tompon-trano mihono ny vahoaka nefa ny zavatra nandaniana an’ilay hetra nampandoavina azy tsy misy mivaingana akory. Avelao ho asan’ny fanjakana ihany, dia ny kaomina izany, ny raharahan-ketra fa tsy azo avela hampihatra izany tetika malotony izany i Marc Ravalomanana.

Ralay

Ajouter un Commentaire