Tsy voatery ho devoly 100% ny olona

Maro ny karazan’olona efa mangetaheta fiovana eto amin’ny tany sy ny fanjakana ankehitriny. Noho ny fahatsapany fa tsy araka ny nieritreretana azy izao fitondrana ankehitriny izao fa toa vao mainka nanampy trotraka ny fahavoazana nianjady hatrizay no anton’izany. Misy anefa ireo somary mailo satria leom-boanana omaly, hoy ny fitenenana ka tsy te hierika zava-boribory intsony.

Ady hevitra misokatra tato ho ato indray mantsy izao ny fanamarihana miendrika fanontaniana hoe “ka raha esorina àry izao fitondrana mijoro izao, iza no hasolo azy ?” Mifanindran-dalana amin’izay fanontaniana sy fanamarihana izay koa ny hoe “ka ireo miseho etsy sy eroa ireo koa ange ka saika efa teo avokoa fa tsy hita izay nafitsony e !”

Samy misy fahamarinany izany, saingy tsy ampy ny fivelaran’ny fijery pôlitikan’ny olona sasany ka lasa any amin’izay ny fiheverany. Ny hafa koa anefa manararaotra an’izay ahiahy tsy ihavanana miteraka firoaroam-pisainana izay, dia manampy trotraka.

Momba ny hoe “iza no hasolo azy ?” aloha dia ambara mivantana fa “raha ny olona tsara sitra-po tokony hitarika ny vahoaka hanarina izao firenena izao mba hiteraka fihatsaram-piainana ho an’ny vahoaka, ary hampiroborobo sy hampivoatra ny tontolom-pihariana ankapobeny eto, dia misy, ary maro fa tsy vitsy. Ambara fa sady tsara sitra-po izy ireny no tena tia tanindrazana, saingy tsy tia misehoseho. Efa misy ihany kosa anefa ny hevitra fototra miseho etsy sy eroa amin’ny fotoana sasany izay iombonan’ny Malagasy maro tsara sitra-po sy tia tanindrazana ary tena resy lahatra hikatsaka ny tombontsoam-bahoaka sy tena hiaro ny fiandrianam-pirenena. Marina fa tsy mbola afaka misongadina izy ireny matetika satria miatrika ny mpifaninana aminy izay ny sasany manam-bola, ny hafa tohanan’ny hery vahiny, ny hafa koa sady mitana fahefam-panjakana, saingy ny hevitra marina sy mahasoa ny vahoaka dia tsy maintsy hisongadina eny ihany.

Sarotra koa ange ny hilaza hoe “ireo rehetra niara-dia tamin’ny Repoblika voalohany dia fotaka 100% e!” Toraka izany koa ny tamin’ny Repoblika faharoa sy ny nifandimby taty aoriana rehetra. Na ny hetsika ataon’ny vondron-kery pôlitika mijoro sy mitonona hitondra fanovana sy fanorenana aza dia misy fahamarinany koa fa saika efa nitondra, saingy matoa misy ny hoe “saika” dia misy izany ny ankoatra izany. Mety ho miara-dia ao izy ireny fa mety ho tsy ao koa. Misy tsara sitra-po sady tia tanindrazana eto fa ny mpiara-dia akory, tsy voatery ho anjely 100% ary tsy voatery ho Devoly 100% koa.

Na ireo azo ambara ho manana foto-kevitra matotra sy mahasoa ny firenena nefa tsy mbola nitana fahefam-panjakana koa aza, ary mety ho zanaka tia tanindrazana tsy mitapo-drano, dia tsy tokony itokisana 100% avy hatrany satria ny vola koa manova olona, ary ny fahasahiranana mahazaka maniraka, hoy ny fitenenana.

Etsy ankilany, ny finiavana hitondra hevitra vaovao sy fomba fisainana vaovao ary hamaritra fomba fiasa vaovao, miainga amin’ny tena fototry ny fanorenana no isan’ny goavana amin’izao fotoana. Ny sasany hatramin’izay mantsy, ary misy dia misy amin’ireo sokajin’olona mitaky fiovana amin’izao fotoana tokoa, no tsy manana hevitra na finiavana hanova sy hanorina ifotony fa hisolo toerana ny teo hatrizay ihany, dia sanatria ahiana hamerina ny efa tsy fahombiazana sy ny nahazatra ny hatramin’izay, ka tsy hahitan’ny vahoaka sy ny firenena ny tena anjara-masoandrony eto.

Faralahy

Comments are now closed for this entry