Symbione Power: Tsy voaloan’ny fanjakana ny volany

Nanomboka tamin’ny alakamisy hafa 01 sepatambra 2016 lasa teo dia nijanona ny milina nofan’ny Jirama tamin’ny orinasa Amerikanina Symbione Power. Ity orinasa ity no manana ny milina ampiasana be indrindra ao Mandroseza amin’izao fotoana izao amin’ny famokarana angovo. Ny taona 2015 no nahazo ny fifanarahana tamin’ny fanjakana Malagasy sy ny Jirama ity orinasa ity. 10 “mega-watts” no herinaratra vokarin’ny Symbione Power, izay vidin’ny Jirama. Miantoka ny herinaratra eto Antananarivo ity orinasa ity ankehitriny. Tao anatin’ny herinandro dia niarahana nahita fa nahazo laka be ny fahatapahan-jiro teto Antananarivo. Misy fahatapahana hatramin’ny adiny 10 mihitsy tamin’ny faritra maro. Tsy ny jiro irery fa ny rano koa dia isan’ny nanahirana tamin’ny herinandro iny. Tsy nety nandefa ny herinaratra mihitsy ity orinasa ity raha tsy voaloa ny volany. Manana fanampiana hatrany amin’ny 300 miliara ariary mahery ny Jirama, izay ny volam-bahoaka no nangalana izany. Tsy voaloa anefa ny volan’ny orinasa ity, ka inona no tena antony? Misy fitantanana tsy mazava ao amin’ny fanjakana sy ny Jirama ao. Ny fanjakana moa tsy mety mamoaka vaovao mihitsy ary manao izay tsy hahafantaran’ny vahoaka ny zava-misy marina eto amin’ny firenena. Fantatra fa nisy koa anefa ny fivoriana maika nataon’ny fanjakana miaraka amin’ny minisiteran’ny Vola tamin’ny talata faha 07 septambra 2016 lasa teo nidinika momba ity raharaha ity. Raha ny loharanom-baovao dia nisy ihany fifanarahana natao tamin’izany momba ny handefasana ny milina mamokatra herinaratra ireo na dia mbola tsy voavaha tanteraka aza ny olana. Hatramin’ny rahoviana no faharetan’izany ? Tsy maintsy hiverina amin’ny fanapahana ny miliny ihany ny Symbione Power raha toa ka tsy vitan’ny fanjakana ny fandoavana ny volany. Inona no tian’ny fanjakana hahatongavana amin’ny tsy fandoavana ny volan’ny Symbione Power ? Inona indray no hitranga rahampitso sy rahafakampitso? Nankalazaina anefa ny fahatongavan’ny vola avy any ivelany tao amin’ny Fec avy amin’ny FMI (Tahirimbola iraisam-pirenena). Tsy misy zavatra mazava intsony eto amin’ny firenena ka izany no antony amoahana lalàna tsy hananan’ny Malagasy  fahalalahana amin’ny fahazoam-baovao sy ny fanaovan-gazety.

Jesy Rabelaolao

Comments are now closed for this entry