Rmtf: Tsy maintsy fongorina ny fitondrana be kolikoly

Mitohy hatrany ny fanehoan-kevitra momba ny ady amin’ny kolikoly eto amin’ny tany sy ny firenena ankehitriny. Teboka iray tena mamotika ny firenena io kolikoly io satria fahalovana manenika ny fiaraha-monina Malagasy.

Samy mahita sy mahatsapa koa anefa ny maro fa tsy afaka hamongotra mihitsy an’io kolikoly io ny Bianco, indrindra fa raha amin’izao endriny ankehitriny sy ny toe-tsaina iatrehana an’izany fahalovana izany amin’izao fotoana no tsy miova. Dia nandrafitra fandaharan’asa ny Bianco.

Isan’ny naneho ny heviny taorian’ny fanoloran’ny Bianco an’ilay drafitr’asa mandritra ny 5 taona ho famongorana ny kolikoly ny avy amin’ny « Rodoben’ny Malagasy Tia Tanindrazana ho amin’ny fanorenana » (Rmtf), tamin’ny alalan-dRajoharison Ranidina.

Ny lahatsoratra navoaka teto tamin’ny talata moa dia nanipika fa “mitady vola maherin’ny 9.000 tapitrisa ariary ny rafitra misahana ny ady hamongorana ny kolikoly”.

Tena nampitsangam-bolo ny sokajin’olona maro ny nahita an’izay tarehi-marika izay, ary isan’izany ny ao anatin’ny « Rmtf ». Teo no nahatonga an-dRainidina ho nanipika fa « tsy tokony handaniana volabe ny fametrahana ny rafitra hiadiana amin’ny kolikoly, ary ny pôlitikam-pirenena hiadiana amin’izy io aza no tsara faritana sy arafitra dia mandray anjara amin’izany ny ambaratongan-drafitra misy eto, na ny ao anatin’ny fanjakana na ny ivelan’ny fanjakana ». Na izany na tsy izany, navoitran-dRainidina fa « tsy izao fitondrana izao mihitsy no hahavita mamongotra ny kolikoly avo lenta eto ». Saika manana fifandraisana amin’ny mpanao kolikoky avo lenta eto avokoa ireo tompon’andraikitra ara-panjakana ambony ireo, hoy izy, ary isan’ny mandray anjara mivantana amin’izany aza ny sasany, ka tsy olona mifamato-paka amin’ny mpanao kolikoly no antenaina hahavita mamongotra izany. Hiaro ny mpiray tsikombakomba aminy aza no hataony mba hiarovan-dry zareo ny haja amam-boninahiny koa, hoy hatrany Rainidina. Noraisiny ho ohatra velona ny amin’izany ny Raharaha Bekasy. Matoa ny mpitondra mihitsy, hoy izy, no nanelanelana nanao izay namoahana an’i Bekasy tany am-ponja nitanana azy ka nandefa azy any ampitan’ny ranomasina, dia noho ny tahotry ny mpitondra fa sao hamoaka ny anaran-dry zareo niray tsikombakomba taminy izy. Raha nadio ny eritreritry ny mpitondra, hoy hatrany Rainidina, dia tsy ho nivakiany loha na hijanona mandrakizay tany am-ponja aza i Bekasy, ary raha izay koa no tsy hivoahan’ny anaran’izay voasaringotra taminy.

Etsy ankilany, isan’ny navoitran’ny « Rmtf » tamin’ny alalan-dRainidina koa ny mampifanindran-dalana ny tena ady amin’ny kolikoly sy ny fiarovana ny harem-pirenena eto. Tsarovy, hoy hatrany Rainidina, fa ny handroba ny harem-pirenena tsy hita pesipesenina eto no tena fototry ny kolikoly avo lenta eto, ankoatra ny raharaha itsikombakombana amin’ny famoahana volam-panjakana toy ny nitranga tany amin’ny kaominin’Ambohimahamasina Ambalavao, ka ny famelana ny fandrobana ny harem-pirenena eto, na vatosoa sarobidy na volamena na andramena na ny hafa toy ny nickel sy cobalt  na ny fasimainty any Taolagnaro na ny solika any Tsimiroro sy ny maro hafa…. no manosika an-dry zareo hanao kolikoly. » Ny dikan’izany, hoy izy, dia tsy maintsy diovina aloha ny fitondrana mba tsy olona efa voafatotry ny fahalovana toa ireo mitana ny fahefam-panjakana ireo no mbola mitoetra eo ka tsy ho azo atomboka akory izany ady amin’ny kolikoly sy izany fiarovana ny harem-pirenena izany.

Isan’ny nomarihin-dRainidina mantsy fa « na ny volamena fotsiny eto aza no tsara tantana dia ahafahana iantohana ny vola enti-miatrika ny fampandrosoana ankapobeny eto izay mihoatra lavitra noho ny vola iankohofantsika amin’ny mpampindram-bola ankapobeny avy any ivelany. »

Ny sandan’iny andramena niondrana tany Singapour ka nahabe resaka farany teo iny, izay miisa 30.000 bolabola no mitentina hatramin’ny 50 Tapitrisa dôlara, hoy izy, ka raha tsara tantana izany, tafiditra am-pahamarinana tao amin’ny kitapom-panjakana Malagasy ka niantohana tetik’asa iray dia ho nahavitana zavatra goavana. Eritrereto fotsiny, hoy izy, fa na lasa tamin’ny fananganana ny kianjan’Antsonjombe sy ireo hôpitaly manara-penitra avokoa aza ilay 100 Tapitrisa dôlara avy amin’ny vondrom-barotra sinoa Wisco hitrandraka ny vy any Soalala tamin’ny tetezamita, dia efa ny antsasak’ireny fotodrafitrasa ireny izany no azo naorina tamin’ny vidin’iny andramena lasa tany Singapour iny nefa ny mpitondra fanjakana malagasy ankehitriny tsy nanana finiavana hiaro ny harenantsika tamin’iny akory.

Comments are now closed for this entry