Tanàna tsara iainana indrindra: Faha 218 amin’ny 230 Antananarivo
Namoaka tatitra ahitàna ny filaharan’ireo tanan-dehibe tsara iainana indrindra ho an’ity taona 2016 ity ny kabinetra anglisy iray antsoina hoe « Mercer ». Kabinetra tsy miankina izay efa matihanina tanteraka amin’ny fanaovana fanadihadiana momba ireo tanan-dehibe misy manerana izao tontolo izao. Tao anatin’ny tatitra farany navaokan’ny « Mercer » dia tanan-dehibe miisa 230 amin’ireo kaontinanta 5 no nanaovana fanadihadiana ka any amin’ny laharana faha 218 no misy ny renivohitr’i Madagasikara, Mazava ho azy fa ity filaharana navaokan’ny kabinetra Mercer ity dia mampiseho fa any amin’ny laharana faramparany no misy an’Antananarivo eo amin’izay resaka fahatsaran’ny fiainana izay. Marihana fa mason-tsivana maromaro no napetraka tamin’ny fanadihadiana natao nahafahana namoaka ny filaharana fa ny tena mason-tsivana lehibe dia ny fitoniana ara-pôlitika, ny fahalotoan’ny tontolo iainana, ary ny resaka tsy fandriam-pahalemana. Raha mijery ny filaharana navoakan’ny kabinetra « Mercer » ihany dia tanàna 11 sisa no mba resin’i Antananarivo amin’ireo 230 nanaovana fanadihadiana. Ao anatin’izany ohatra i Kinshasa, renivohitra ny Repoblika Demokratika an’i Congo, i Ndjamena, renivohitr’i Tchad, Sana’a, renivohitr’i Yemen ary i Bagdad, any Iraka izay mitàna ny laharana farany ao anatin’ny lisitra. Raha jerena dia ireo tanàna tsy milamina satria ao anatina firenena mbola ahitàna ady an-trano avokoa ireo ao aorian’Antananarivo ireo ka tsy mahagaga raha any amin’ny laharana farany no misy azy ireo. Ny renivohitr’i Autriche na i Vienne kosa no mitàna ny laharana voalohany raha ny tatitra navoakan’ity kabinetra anglisy ity, manaraka azy kosa i Zurich any Soisa eo amin’ny laharana faha 2, ary i Auckland renivohitr’i Nouvelle Zélande mitana ny laharana faha 3. Tsy tokony hahagaga ireo mponina eto Antananarivo ihany moa ny fahitàna ity filaharana ity satria hiarahan’ny rehetra mahita ny gaboraraka, na eo amin’ny resaka fifamoivoizana izany, na ny fiainana amin’ny ankapobeny, ary ny loto sy ny fako manerana ny tanàna. Tsy resahana intsony ny resaka tsy fandriam-pahalemana, ao anatin’izany ny vaky trano, ny fanendahana sy ny sinto-mahery isan-karazany. Isaka ny mivoaka ny trano, indrindra fa ho an’ireo tsy manana fiara, dia tsy maintsy mailo manoloana ny fanendahana sy ny harom-paosy. Eny fa na dia hatramin’ireo mandeha fiara aza dia voatery tsy maintsy manidy fitaratra rehefa miresaka amin’ny finday. Izany rehetra izany dia manaporofo fa tanàna tsy milamina ity renivohitr’i Madagasikara ka tsy miaina ao anatin’ny tena fandriam-pahalemana ny mponina.
F.Tsihiavonana