inty sy nday: Io koa i Ahmad

Tamin’ny faha-4 may teo dia tratry ny mpitandro ny filaminana tany Ihosy ny fiara nitondra rongony ampolony maro kitapo. Voatonona tamin’izany ny tompon’andraiki-panjakana ambony ankehitriny. Tsy re ako intsony ny tohin’io raharaha io ankehitriny.

Tamin’iny herinandro lasa teo iny dia re fa voarohirohy tamin’ny fivarotana tsy ara-dalàna fitaovam-piadiana koa ny mpiaro ny minisitra Ahmad. Minisitra tao anatin’izao fotoam-pitantanan-dRajaonarimampianina izao izy, ary farany teo dia notendren’Ingahy filohampirenena ho loholon’i Madagasikara.

Mpiaro akaiky azy no nahavanona nivarotra basy. Notanana amponja miandry ny fotoam-pitsarana aloha izy io hatreto, hoy ny vaovao farany.

Dia lasa ny fisainana hoe « mino ve isika fa ho tonga amin’izany fotoam-pitsarana izany ity raharaha ity, ary ho voafonja eny haharitra io mpiaro an’i Ahmad io ? »

Marihina aloha fa matoa mpiaro akaiky an’i Ahmad dia olona itokiany izany, ka raha olona itokiany dia sarotra ny hino fa tsy fantatr’i Ahmad ny zavatra rehetra ataony. Maro aloha ny olona no tsy mino fa tsy tokony ho voarohirohy amin’izao raharaha varotra tsy ara-dalàna basy izao ity olom-panjakana ambony ity e ! Iza moa no mahita na mahalala raha fitaovana fotsiny io mpiaro io ? Rehefa tratra dia miseho ho olo-madio sy olo-marina ny manana fahefana ara-panjakana fa ny hafa no tratra farany eo !

Marina ihany ny  fanamarihana nataon’i Pety Rakotoniaina hoe « dia tsy nisy olona ambony mba niray tsikombakomba tamin’ny halatra na fampanofana basy fitondran’ny dahalo mihitsy ve teto hatramin’izay ? »

Ralay

Ajouter un Commentaire