Mahajanga: Manohana ny tolona ataon’ny mpanao gazety

Tany Mahajanga no nandehanan’ny mpanao gazety izay miady amin’ny fahafahana eto Madagasikara amin’ny anarana hoe « miara-manonja ». Fanangonan-tsonia mahakasika ny zava-doza anterakin’ny fandanian’ny parlemantera sy ny faneken’ny Hcc (fahefana avo momba ny lalàm-panorenana) izany lalàna izany. Tao anatin’ny volana maromaro izay dia niteraka resabe eto amin’ny firenena ity raharaha ity. Manohitra ny jadona ataon’ny fanjakana amin’ny fametrahana fanjakana jadona sy tsy refesi-mandidy ny vahoaka Malagasy. Tsy ny mpanao gazety irery moa no voakasik’ity raharaha ity, fa hatrany amin’ny Malagasy tsy an-kanavaka rehetra . Ny zo fototra sy ny zo hahalala sy hikaroka vaovao ary ny fahalalan’ny mpanao gazety amin’ny asany no mitarika fihetsiketsehana tsy miato izao. Ny fanjakana miziriziry amin’ny heviny te hanao didy jadona, nefa ny mpanao gazety sy ny fikambanana maro eto Madagasikara sy any ivelany dia tsy manaiky ny tetika ratsy tadiavin’ny fanjakana hampiharina eto Madagasikara izao. Na dia nozarazarain’ny fanjakana tamin’ny fomba rehetra aza ity tolona ity dia tsy naharava izany izy ireo fa izao mitohy tsy ankijanona izao ny fihetsiketsehana.

Tany Mahajanga no nanaovana fanangonan-tsonia tamin’ny sabotsy 10 septambra 2016 lasa teo hilazana ny fanoheran’ny olona ity lalàna Andrianjato izay mikasika ny serasera sy ny asa fanaovan-gazety ity. Nahatratra 5000 mahery ny mponina tao an-tanàna renivohitr’i Boina, izay isan’ny tsy mankasitra ity lalàna ity raha ny fanangonan-tsonia tamin’ny faran’ny herinandro io no jerena. Miampy ny olona 11 900 izay efa nanao sonia teto Antananarivo. Maro ny toerana izay mangataka ny fanaovana ity hetsika ity eran’i Madagasikara. Milaza izany fa tsy eken’ny vahoaka Malagasy ny lalàna fanaporetana azy. Mbola hitohy any amin’ny toerana hafa moa izao fanangonan-tsonia amin’ny ady amin’ny fanapotehana ny fahalalahana eto Madagasikara izao.

Nangonin’i Jesy Rabelaolao

Ajouter un Commentaire