Minisitra Benjamina Ramanantsoa: Miteniteny foana sy manabado vahoaka
Fiarovana ny fitondrana be fahatany sy fandraisana ny vahoaka ho bado, ireo no azo hamehezana ny valandresaka nataon’ny minisitry ny fitaterana sy ny famatarana ny toetr’andro, Benjamina Ramanantsoa, raha nivahiny tao amina onjam-peo iray eto andrenivohitra, ny faran’ny herinandro teo. Tamin’ny ankapobeany dia resaka politika ary mazava hoazy fa fiarovana ny fitondrana misy ankehitriny no nataon’ity minisitra ity nandritra ny ora iray teo ho eo. Na ireo adalàna rehetra ataon’ireo minisitra hafa ao anaty governemanta dia narovan’i Benjamina Ramanantsoa avokoa. Raha niresaka momba ireo vovonana na hetsika politika izay nitsangana manohitra ny fitondrana ankehitriny ny minisitra dia nilaza mazava fa fanehoan-kevitra tsy mitondra fampandrosoana ny firenena fa vaomaika mitondra ny firenena any anaty kizo ny tsikera ataon’ireo mpanohitra. Tsy nisalasala ity minisitra ity raha nilaza fa eto Antananarivo renivohitra ihany no mandaitra ny hevitra diso voizin’ireo mpitsikera ny fitondrana fa tsy any amin’ny faritany hafa. Raha tena tia tanindrazana hoy izy, ireo mpanao politika avy amin’ny fanoherana dia tokony hanaiky hifampidinika amin’ny mpitondra fa tsy hanenjika befahatany. Izany no manaporofo fa sady miteniteny foana no mandray ny vahoaka Malagasy ho bado i Benjamina Ramanantsoa. Ny ankamaroan’ireo antoko na fikambanana manohitra ny fitondrana ankehitriny tao anatin’izay 2 taona sy tapany izay, dia nangataka fifampiresahana na dinika an-databatra boribory amin’ny mpitondra mba ahafahana mikaroka ny vahaolana hanavotana ny firenena kanefa manao be marenina hatrany ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Vao tamin’ny volana aogositra lasa teo no nitsangana ny vovonana “Dinika ho fanavotam-pirenena” izay miantso fifampidinihana amin’ny filoha kanefa mandrak’ity ny androany, tsy noraharahin’i Hery Rajaonarimampianina izany fangatahana izany. Ny minisitra Benjamina Ramanantsoa anefa dia sahy milaza amin’ny haino aman-jery fa tsy vononona ny hifampidinika ny mpanohitra eto amintsika fa mitsikera befahatany fotsiny. Niezaka mafy ny minisitry ny fitaterana sy ny famatarana ny toetr’andro nampiditra tao anatin’ny sain’ny Malagasy fa efa mametraka ny fototra rehetra amin’ny fampandrosoana ny mpitondra ankehitriny ka tsy tokony ho sakatsakanana. Adala sy bado daholo tokoa angamba ireo olom-pirenena Malagasy, na ireo olon-tsotra eny an-dalana rehetra eny, na ireo mpaneho hevitra amin’ny haino aman-jery fa tsy misy na inona na inona mandeha eto amin’ity firenena ity, indrindra fa eo amin’ny lafiny fampandrosoana. Miseho manome lesona amin’ny fitiavan-tanindrazana an’ireo mpanao politika Malagasy ny minisitra Benjamina Ramanantsoa kanefa tsy mba mijery fitaratra, hoy ny fomba fiteny izay. Ity farany izay anisan’ireo mpanao politika tafiditra tao anatin’ireo governemanta nifandimby hatramin’ny andron’ny tetezamita kanefa tsy hita izay tena zava-bita nisongadina tao anatin’izay taona maro izay.
F.T