RNM: Noravana tanteraka ilay trano may tamin’ny 2009

Tamin’ny sabotsy faha 10 septambra 2016 lasa teo dia fiara vaventy no tonga nandrava ny trano sisa tsy may tamin’ny 2009. Niharan’ny hatezeran’ny mponina ity tranon’ny filazam-baovao ny RNM na ny Radio Nasionaly Malagasy ity. Tamin’ny fanonganana an’ingahy Marc Ravalomanana  no nahay azy ity, niaraka tamin’ny radio televizionina Malagasy TVM; Efa nisy ny fanamboarana ity TVM ity tamin’ny andron’ny tetezamita iny ka tao amin’ity toerana ity no niasan’ny RNM sy ny TVM. Hatramin’izao aloha dia tsy misy filazana na hamboarina ity trano ity na ahoana fa ny fandravana ihany no efa manomboka izao. Raha ny lalànan’ny tolotr’asam-panjakana no asian-teny dia tokony hisy filazana eo amin’ity toerana ity milaza ny asa toa izao hita izao. Ny fanjakana an’ingahy Hery Rajaonarimampianina ity anefa dia manao zavatra miafinafina ny vahoaka sy tsy manara-dalàna izay ka asa indray izay hitranga amin’ny fandravana izao. Marobe ny tolotr’asa tsy manaraka ny lalàna ankehitriny toa ny nitranga tao amin’ny ministeran’ny atitany sy ny fahasalamana. Ka asa na ho toa izany koa no hitranga amin’izao fandravana ny RNM izao. Ny fanamboarana ny trano io dia tena ilaina tokoa saingy tokony hanaraka ny fenitrin’ny tolotr’asa sy ny asa ataon’ny fanjakana amin’ny fananganana fototrafitrasa izany.

Tamin’ny andron’i Philibert Tsiranana filohan’ny repoblika voalohany no vita ny trano teo Anosy. Radio Madagasikara no anarany tamin’izany. Nivadika ho Radio Nasionaly Malagasy izany taty afara. Niampy ny TVM koa ireo izany taty aoriana kely.  Ity Rnm ity no radio nodoran’ny olona fahatelo teto Antananarivo taorian’ny RTV Radio Tsioka Vao tamin’ny taona 2002, ary ny MBS an’ingahy Ravalomanana Marc tamin’ny fotoana nahamay ny Tvm sy ny Rnm ity .                                                

   J.B.

Ajouter un Commentaire