Mahantra sy manan-karena : miha-mitombo ny elanelana

Raha ny antontan’isa navoakan’ny banky iraisam-pirenena farany dia miaina ao anaty fahantrana, na mandray latsaka ny 2 dôlara isan’andro ny 92 isan-jaton’ny Malagasy ao anatin’izao fitondran’i Hery Rajaonarimampianina izao. Tao anatin’ny 2 taona sy 7 volana nitondrany ny firenena dia tsy nahavita nampihena ny tahan’ny fahantrana teto amitsika ny filoha am-perinasa fa vao mainka niha-nitombo aza ny isan’ireo mahantra sy ireo tsy manan-kialofana ka lasa matory eny amin’ny sisin-dalana. Sarotra moa ny ahafantarana marina ny isan’ny mponina tena sokajiana ho mahantra eto Madagasikara satria tsy misy ny tarehimarika  ofisialy avy amin’ny INSTAT na ny Ivon-toeram-pirenena misahana ny antontan’isa etsy Anosy. Raha ny hita teto amin’ity firenena ity na dia tsy nisy aza ny antontan’isa mazava dia miha-mitombo hatrany ny elanelana misy eo amin’ny mponina mahantra, miaina ao anaty fahasahiranana lalina, sy ireo manan-katao ary ireo manan-karena. Io moa ilay antsoina amin’ny fiteny frantsay hoe “inégalité sociale” ary isan’ny tafiditra ao anatin’ny fanjakana ratsy tantana na ny “mauvaise gouvernance”. Raha mijery fotsiny isika ny kalitao sy ny isan’ireo fiara mivezivezy eny amin’ny arabe dia hita fa tsy tara ny Malagasy amin’ireo maodely farany mivoaka any ivelany na mahatratra an-jatony tapitrisa maro aza ny vidin’izany. Marihana anefa fa tsy ireo Malagasy mahantra tany aloha tany akory no lasa nanan-karena tampoka ka nahavidy fiara fa ireo manan-katao ihany no miha-manan-karena. Tahaka izay koa ny fananganana trano etsy sy eroa dia mampanontany tena mihitsy hoe tena mahantra tokoa ve ity firenena ity?

Ho an’ireo mahantra indray, izany hoe ny 90 isan-jato maherin’ny Malagasy, dia miha sahirana hatrany izy ireo ary zara raha mahita ny ho harapaka isan’andro. Fa etsy ankilan’izay, toe-javatra iray nahitàna fa tena niha-nitombo ny elanelana misy eo amin’ny mahantra sy ny manan-karena dia ny fahamaroan’ireo olona niala sasatra any amin’ny faritany tamin’ity taona ity. Na tsy misy aza ny tarehimarika dia hita fa mihamaro ny isan’ireo Malagasy, indrindra fa ny avy eto afovoan-tany, no nandeha niala sasatra tany amin’ny faritany. Mazava ho azy fa ireo sarangan’olona heverina fa manan-katao ihany no afaka manao izany fa tsy ireo miaina ao anaty fahasiranana akory. Sarotra ho an’ireo 92 isan-jaton’ny Malagasy miaina amin’ny latsaka ny 2 dôlara isan’andro ireo no tsy ho afaka na oviana na oviana handany vola aman’hetsiny, na an-tapitrisany hitsangantsanganana any amin’ny faritra. Na ny fampidirana mpianatra aza manahirana ka voatery mitrosa any amin’ny banky, na any amin’ireo orinasa madinika mpampindram-bola. Any ambanivohitra any aza moa dia amidy hatramin’ny tanin-ketsa mihitsy vao mahatafiditra mpianatra ny tokantrano iray.

F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire